Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2022
Ireo fombandrazana ara-tsakafon'i Boligara ho fomba iray hamerenana indray ny tsiaro ara-kolontsaina : ireo hainahandron'i Nenibe adino tao an-tanàn'i Antimovo
Ny hainahandro eo an-toerana ao amin'ny vohitra Bolgara iray akaikin'i Danube dia mampifangaro ny fomban-drazana Vlahian sy Bolgara, manome toerana ny fisarihana ireo mpizahatany nasionaly ary koa ireo avy any Romania sy Serbia mpifanila vodirindrina.
Mbola mitohy mihafisaka ve ny soritra? ambana hisian'ny fitomboan'ny fitondrana jadona nomerika aorian'ny COVID-19
Manoloana ny fanarahamaso, ny fifehezana ary ny sivana ataon'ny Fanjakana, dia mila drafitra mafy isika mba hitakiantsika indray ny zo nomerikantsika sy hamolavolana ireo fitsipika politika sy araka ny lalàna mifanaraka aminy mba hiarovana azy.
Fanomezam-boninahitra poeta Keniàna, Grandmaster Masese izay niaro ny kolontsaina Abagusii tamin'ny alàlan'ny tononkalo sy hira
Ny fanambarana ny rakikira iray malaza an'i Masese tamin'ny Desambra 2021 tamin'ny endrika Dizitaly, CD sy Vinyl no rakikira voalohany lava indrindra an'ny mozika Obokano novokarina hatramin'ny taona 1972.
Famaranana ny herisetra manjo ny vehivavy amin'ny fotoanan'ny ady sy ny fandriam-pahalemana
Anatin'ny fifandonana mitàm-piadiana, ireo vehivavy no tena lasibatra amin'ny fikasana manokana hanimba ny fiarahamonina izay misy azy, na voaratra amin'ny fanararaotana aterak'ilay fotoana, tsy misy tahotra ny ho voasazy.
Miakatra ny onja fanoherana ny fitrandrahana ny fanambanin'ny ranomasina lalina
"Raha omena alàlana hanohy ny diany, ny fitrandrahana dia hanimba ny fahazarana hatry ny fahagola hita any anaty ranomasina lalina any, ary amin'ny fomba tsy hahafahana miverin-dàlana intsony, ary hisy fiantraikany amin'ireo izay miankina sy mivelona amin'ny ranomasina."