Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Desambra, 2019
Gabriela García Calderón, fito taona niarahana tamin'ny Global Voices
Amin'izao fahafolo taonanay izay, fantaro ny mombamomba ireo mpandray anjara ato aminay! Eto i Gabriela Garcia Calderón, mpikambana tranainy ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Espaniola, dia miresaka amintsika momba ny fahafanampony efa maharitra ela.
Amin'izao faha-70 taonan'ny OTAN izao, manohintohina ny filaminan'ireo firenena mpikambana kely kokoa ny fanovàna ny laharampahamehana
Diso fantatr'ireo firenena madinika kokoa ao amin'ny OTAN, toy ny Baltes, ireo vokatry ny fanamaivanana ny hery any amin'ny sisintaniny atsinanana.
Manempotra ny renivohitr'i India ny mololo mirehitra sy ireo renirano maloto
Tamin'ity taona ity, miatrika krizy henjan'ny loto ny faritry ny renivohitra nasionaly Indiana satria tsy voafehy intsony ny zavona manempotra ary mandrakotra ny renirano Yamuna, izay efa tena maloto loatra, ny roatra misy poizina.
Ahoana no hijirihana ny MSN Spaces amin'ny teny Sinoa mba hahafahana mampiasa ireo teny voarara
Manome torolalana i Bennett Haselton avy ao amin'ny Peacefire.org hialàn'ireo Sinoa mpampiasa aterineto an'ireo mpanivana teny ao amin'ny MSN Spaces ao Sina ka tsy mamela azy ireo hanisy ny teny toy ny hoe "demaokrasia" anatin'ny lohatenin'ny bilaoginy.
Olona 3 tapitrisa tonga nandatsa-bato, resin'i Hong Kong ny isa ambony indrindra tamin'ny fandraisana anjara hatrizay
Raisina ho tondro goavana maneho ny hevitr'ireo olompirenena manoloana ny krizy pôlitika misy amin'izao fotoana ny voka-pifidianana, satria an-tapitrisany ireo mpandatsa-bato misafidy amin'ireo mpifaninana mpomba ny andrimpanjakana sy ny mpandàla ny demaokrasia.
Taratasim-pifandraisana RV: Ahoana no hamoaboasana ireo randram-baovao ao amin'ny Twiter mba hanamoràna ny famakiana ?
Ny gazetin'ny Rising Voices dia manome rohy mankany amin'ireo hetsika mila araraotina momba ny fampidirana niomerika, anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba hafa sy hetsika ahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno anaty aterineto.