Miora · Avrily, 2018

Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Avrily, 2018

Tatitra avy amin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Jôrdaniana

Tsy fantatrao mihitsy izay olona hipoitra any amin'ny fihaonanà bilaogera. Tsy vitan'ny hoe lasa sasany amin'ireo bilaogera tsara indrindra ao Jôrdania fotsiny ny fihaonan'ny bilaogera Jôrdaniana - ezaka iraisan'ny Jordan Planet/Global Voices - fa lasa kintana goavana avy ao Bahrain sy Egipta ihany koa.

25 Avrily 2018

Anatin'ny Mason'ny Tafiodrivotra: Miteny Ireo Bilaogera Ao Bangladesh

Namoaka ny fihetseham-pony manoloana ilay rivodoza Sidr, izay nandravarava ireo morontsiraka atsimon'i Bangladesh, ireo bilaogeran'ny Nari Jibon. Vakio ny tantaran-dry zareo momba io loza io, ny faharetany ary ny ezaka fanarenana nataony. Vakio ihany koa ny fiofanana farany nataon'izy ireo momba ny Lahatsary sy ny kamerà dizitaly.

23 Avrily 2018

Kazakstàna: Tsangambato, Toekarena, Fananahana sy Haino Amanjery

Tsy dia mafana loatra amin’ny firesahana momba ny korontana misy ao amin’ny governemanta ofisialy ny tontolon’ny bilaogy ao Kazakstàna. Nanjary lasa lohahevitra malaza indrindra ho azy ilay fialantsasatra mahazatra amin’ny volana May, kanefa maro ihany koa ny olana hafa notaterin'ireo bilaogera.

23 Avrily 2018

Kazakstàna: Fihenjanana Ara-poko sy Fanamaivanana ny Maha Izy Azy

Firenena iray matetika mihambo ho mandefitra ny firaisam-poko sy ny fahasamihafan'ny finoana i Kazakstàna. Tsy ny rehetra anefa no mieritreritra fa endrik'i Kazakstàna maoderina io, satria miseho eny amin'ny fiainana andavanandro ny fihenjanana madinika eo amin'ny foko ary manjaka ao anatin'ny rafi-panjakana ny teratany Kazaka.

23 Avrily 2018

Laos: Fetiben'ny Hazakazaka Sambo

Manamarika ny faran'ny fifadian-kanin'ny Bodista any Laos sy any amin'ireo firenena mifanila aminy ny fetiben'ny hazakazaka sambo. Namoaka lahatsarin'ilay Fetiben'ny Hazakazaka Sambo nifarana vao haingana tao Pakse i Darly ao amin'ny vohikala Lao Voices. Tanàna iray ao amin'ny reniranon'i Mekong ao Laos Atsimo i Pakse, ary toeram-pivarotam-paritra goavana.

20 Avrily 2018