Miora · Desambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Desambra, 2018

Meksika: Nantenaina Hanova Zavatra ilay Ezaka Fandarohana Baomba

Na dia tsy nahatratra ny tanjony tao amin'ny Tanànan'i Meksika aza ilay daroka baomba, maro ireo bilaogera maminavina fiovàna. Misy ireo mihevitra fa hiova ireo lalàna, hamela ny fikarohana tsy misy didy sy ny fangiazana tsy ara-dalàna, ao kosa ireo mihevitra fa tsy ho azo antoka intsony ny fandehanana an-dàlambe

28 Desambra 2018

Japana: Grumpy Jiisan ao amin'ny Nico Nico Douga

"Grumpy Jiisan", rangahy iray mpisotro ronono avy any Arizona maneho ny heviny momba ny anime Japoney no malaza ao amin'ny Nico Nico Douga, sampana iray fizarana lahatsary malaza be ao Japana, tato ho ato. Tena malaza be ao ireo lahatsarin'i Grumpy Jiisan hany ka nahangona fanehoankevitra an'arivony.

21 Desambra 2018

Romania: Fihaonamben'ny NATO sy Fifamoivoizana ao Bucharest

"Taorian'ny nihainoako ny tatitra mahakivy momba ny fifamoivoizana maraina tamin'ny onjampeo, gaga aho raha nahita fa malalaka nóho ny andavanandro ny làlana (toy ny amin'ny Alahady mangingina)", hoy ny tatitry ny bilaogera Romanina iray momba ny fifamoivoizana ao Bucharest amin'ny andro voalohan'ny Fihaonamben'ny NATO.

21 Desambra 2018

Ejipta: Tsenabe Iraisam-pirenen'ny Boky ao Caire Andiany faha-40

Tena tia ny volana Janoary i Eman AbdElRahman, indrindra noho ny fisian'ny tsenabe iraisam-pirenen'ny boky ivelan'ny tokonam-baravarany. Anatin'ity lahatsoratra ity, mizara amintsika ny fientanam-pon'ireo bilaogera Ejipsiana hafa amin'io hetsika io izy, eo ihany koa ny fitarainan'izy ireo, sy ny seho ara-kolontsaina eny an-jorony.

20 Desambra 2018