Miora · Janoary, 2013

Lahatsoratra farany an'i Miora tamin'ny Janoary, 2013

Adin'ny Graffiti Eny Amin'ireo Rindrina Syriana

Afaka raisina ho toy ny tsy fanarahan-dalàlan'ny olom-pirenena syfanehoan-kevitra milamina ny Graffiti. Na manana ny lanja manokana eo amin'ny fanampiana ireo sahirana aza ny Hetsi-panovàna Syriana; fanovàna manana endrika kanto izany. Iray amin'ireo fomba fampiasan'ny olombelona indrindra ny Sary hosodoko hanehoany ny heviny; izany no fomba haingana indrindra hanehoana hevitra na hampifandraisana ny olona amin'io hevitra io. Jereo ny fomba fampiasan'ny Syriana ny fahaizany mamorona eo amin'ireo rindrin'i Syria.

31 Janoary 2013

#DELETECONTROL/: Fanentanana Hanoherana Ny Famoretana Aty Anaty Aterineto

GV Mpisolovava

Ny Sekoly Ambony Misahana Ny Fifandraharahana ao Pays-Bas, Hivos, izay miara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, ny Witness, ny Mideast Youth ary ny Tactical Technology Collective, dia mikarakara hetsika fanentanana antsoina hoe #DELETECONTROL/, hanampiana ireo mpampiasa aterineto tandindonin-doza hiady amin'ny famoretana anaty aterineto.

23 Janoary 2013

Avotsory i Bassel: Mpampiasa Aterineto Tandindonin-doza

GV Mpisolovava

Nahafeno 9 volana an-tranomaizina i Bassel Khartabil Safadi, mpamokatra rindrambaiko azo tovozina malalaka sady mpikatroka mafàna fo mpandàla demokrasia. Matahotra ny amin'ny ainy ny namany sy ny fianakaviany noho ny fitsarana azy any aminà fitsarana miaramila.

13 Janoary 2013