09 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 09 Janoary 2019

Maty novonoina ny mpamorona sady webmaster-n'ny mpanohitra ao amin'ny tranonkalam-baovao Ingush

GV Mpisolovava

Maty novonoina i Magomed Yevloyev, mpamorona sady webmaster-n' ny tranonkalam-baovaon'ny Ingush mpanohitra, Ingushetiya.Ru, nandritra ny fihazonan'ny polisy azy. Nitatitra ny tranonkalany fa voatifitra teo amin'ny lohany i Magomed rehefa avy nosamborin'ny manampahefana Ingush tamin'ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina Nazran (Magas). Nodimandry tany amin'ny hopitaly izy.

09 Janoary 2019