(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2008)

Matetika ny governemanta Ozbeky mandà ny fisian'ny fanivanana aterineto: “Miaina amin'ny vanim-potoanan'ny teknolojia informatika isika, ary mirongatra ny fanambarana rehetra milaza fa voasivana ny aterineto na niakatra ny fahatsontsana,” hoy ny fanambaran'ny minisitry ny raharaham-bahiny, Eljer Ganiyev indray mandeha.
Na izany aza, araka ny filazan'ny Open Net Initiative (ONI), mitazona ny rafitra fanivanana faran'izay mivoatra sy miparitaka any amin'ireo firenena mikambana ao amin'ny Fikambanamben'ny Fanjakana Mahaleotena (CIS) i Ozbekistan. Nanambara ny Reporters Sans Frontières (RSF) tamin'ny 7 Novambra 2006 fa anisan'ireo firenena 13 tondroin'ny ONG ho “Fahavalon'ny Aterineto” i Ozbekistan.