Vonona amin'ny teny arabo ny taridia hanaovana fanandrata-teny miteti-paositra

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny septambra 2009, tetikasa taloha)

Trohy amin'ny endrika pdf ity taridia ity

cross-postinf_ar.jpg
Faly izahay ankehitriny manambara fa efa vonona amin'ny teny arabo ankehitriny ny Taridia Advocacy 2.0: Miteti-paositra hanandrata-teny, Savalalana amin'ny fiatiana media sosialy mahomby, noho ny fandikateny nataon'i Reine Mattar avy ao amin'ny Social Media Exchange, Beirota.

socialmediaexchange
Manolotra fiofanana sy tolokevitra amin'ny firaisamonim-pirenena sy ny fikambanana tsy mitady tombombarotra ao Libanona te-hampiasa fitaovam-pampitam-baovao hampandrosoana ny iraka ampanaovina azy ny The Social Media Exchange.

Atolotry ny taridia antsika ny savalalana fohy amin'ny fampiasana teti-paositra hanaovana fanentanana fanandratateny antserasera. Atamberiny ao ireo fitaovana web 2.0, mampiseho ireo ohatra mahomby tamin'ny fiteteza-paositra (indray miaraka) hanandrata-teny (advocacy). Hita ao amin'ity taridia ity ihany koa ny miiba sy ny miabo amin'ny teknikan'ny teti-paositra.

Votoaty

  • Savalalana
  • Inona no ilainao?
  • Ahoana ny fomba hamahananao ny blaogy na ny tranonkala mankany amin'ny Twitter?
  • Manavao ny sata Facebook avy amin'ny Twitter
  • Mandeha lavidavitra kokoa ny FeedBlitz amin'ny fandefasana aotômatika imailaka sy IM
  • Ireo fandresen-dahatra sasany manohitra ny fampiasana teti-paositra
  • Ohatra tsara amin'ny fomba fampiasaina teknikan-teti-paositra

Vonona amin'ny endrika pdf ny دليل النشر المتبادل. Mety mila mampiditra ny Adobe Acrobat Reader maimaimpoana ianao ijerena azy.

Trohy azafady ary ampio izahay handika ny taridia ho amin'ny fiteninao.

Isaorana be dia be ry zareo ao amin'ny Social Media Exchange: Jessica Dheere, Reine Mattar, Rebecca S. Saade, Mohamad Najem ary Naeema Zarif.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.