Tonizia: Matetika niharan'ny fanafihana ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdir  

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy nanafika ilay mpanao gazety Toniziana sady bilaogera Slim Boukhdhir raha nandao ny cybercafé iray tao Tunis taorian'ny famahanana bilaogy momba ny andraikitr'i Houssem Trabelsi , anadahin'ny vadin'ny filoha ao Tonizia, nandritra ny fampisehoana nifanosehana nahafatesana olona tao Sfax (Kaonseritra Star Academy) ny 30 Aprily 2007, izay nahitana tanora miisa fito maty .

Rehefa very asa tamin'ny maha mpanao gazety azy tao amin'ny gazety “Akhbar Al-Joumhurya” (Vaovaon'ny  Repoblika) tamin'ny volana Aogositra 2004 dia nanomboka nibilaogy tao amin'ny Tolotra Bilaogy Arabo : Maktoob Blog i Slim Boukhdhir. Nitohy ny fanafihana sy ny fanorisorenana azy sady norahonan'ny polisy manao akanjo sivily no norahonan'ireo jiolahy akaikin'ireo zaodahin'ny filoha Ben Ali izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.