Torolalana mibilaogy miafin'anarana amin'ny WordPress sy Tor amin'ny teny Italiana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009, tetikasa taloha)

guide_it-header.jpg

Ny mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor dia efa misy amin'ny teny Italiana noho ny fandikan-teny nataon'i Jan Reister ao amin'ny bilaogy Nazione Indiana.

Ny torolalana dia mamaritra fomba maro amin'ny fiarovana ny mari-panondroana mba hisorohana amin'ny alalan'ny teknika maro ny valifaty ary mety hampihena betsaka ny loza mety hihatra mifandraika amin'ny zavatra nosoratany an-tserasera .

Ny Scrivere un blog anonimo con WordPress e Tor dia azo trohana amin'ny endrika PDF. Mety mila mametraka ny Adobe Acrobat Reader maimaim-poana ianao raha hijery izany. Raha sendra fahasarotana ianao amin'ny fijerena ny endrika PDF ao anaty aterineto, andramo ity endrika HTML mampifandray sy mora amin'ny bilaogy ity.

Trohy azafady ny torolàlana ary ampio izahay hanaparitaka ity fampahalalana manan-danja ity. Aza misalasala koa manampy anay handika ny torolàlana amin'ny fiteninao.

Efa misy amin'ireto teny manaraka ireto ihany koa ny toro-lalana:

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa aminay ao amin'ny advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.