Maty novonoina ny mpamorona sady webmaster-n'ny mpanohitra ao amin'ny tranonkalam-baovao Ingush

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Maty novonoina i Magomed Yevloyev, mpamorona sady webmaster-n’ ny tranonkalam-baovaon'ny Ingush mpanohitra, Ingushetiya.Ru, nandritra ny fihazonan'ny polisy azy. Nitatitra ny tranonkalany fa voatifitra teo amin'ny lohany i Magomed rehefa avy nosamborin'ny manampahefana Ingush tamin'ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina Nazran (Magas). Nodimandry tany amin'ny hopitaly izy.

The president of Ingushetiya, Murat Zyazikov, was on the same flight. At the airport Zyazikov ordered the police to arrest Yevloev, and he was put in a police car. Yevloev’s body was then delivered to the republican hospital in Nazran, now with a bullet also in his head.

Niray zotram-piaramanidina tamin'ny filohan'i Ingushetiya, Murat Zyazikov izy. Tao amin'ny seranam-piaramanidina, nandidy ny polisy i Zyazikov mba hisambotra an'i Yevloev, ary napetraka tao anaty fiaran'ny polisy izy. Nalefa tany amin'ny hopitaly repoblikana ao Nazran avy eo ny vatan'i Yevloev, izay misy bala ao amin'ny lohany.

Mpanohitra malaza an'i Murat Zyazikov, filohan'i Ingushetiam, mpanohana an'i Kremlin, i Magomed. Araka ny voalazan'i Miami Herald, nahatezitra an'i Rosia tamin'ny fanakianana ny fitondran'ny polisy ny sivily ao amin'ny faritra i Yewloyev. “Nandidy azy hanakatona ny tranokalany ny fitsarana tamin'ny volana jona noho ny fampielezana fanambarana “mahery fihetsika” saingy nipoitra indray tamin'ny anarana hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.