Feo Avy Amin'ny Zimbabwe Plus
Dikandahatsoratra
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005)
Zimbaboe : Niakatra an-tsehatra indroa miantoana i Zimbaboe tao amin'ny WSIS tao Tunis ny herinandro lasa teo. Nanao antso avo ny amin'ny tokony hampiatoana ny fampiasana ny aterineto ho fanimbazimbana ny fahalalahan'ireo firenena an-dalam-pandrosoana ny filoha Zimbaboeiana, Robert Mugabe.
“Ireo roa taona lasa ireo no nampiseho antsika ny fomba fampiasana ny teknolojiam-baovao sy fifandraisana (TIC) hanafihana ny fiandrianan'ireo firenena mahantra sy bitika. Miteny izany aho satria ny fireneko, i Zimbaboe, dia mitohy iharan'ny herisetra toy izany, iarahan'ny ao “Royaume unis” sy i Etazonia aza ny fampiasòna ny mahalehibe azy ara-informatika mba hamelezana ny fiandriananay amin'ny alalan'ireo fandaharana voakajy tsara natao hamporisihana fanozongozonana sy fandravàna ny fanjakana amin'ny fampizarazaràna. “
Ampangaina i Mugabe ho mametra ny betsaka amin'ireo fahalalahana ao Zimbaboe ho azy samy irery, anisan'izany ny fahalalahana haneho hevitra. Nanontany i Hope tao amin'ny This is Zimbabwe hoe : «manimba miandalana ny soatoavin'ny firenena» …? “fampihorohoroana anaty aterneto” …? ‘
Nandritra ilay seminera ‘Expression Under Repression‘ na ‘Fanehoankevitra ambany Famoretana’, tao amin'ny Kubatana.net, nizara ny fahitany ny andraikitry ny Aterneto eo anivon'ny firenena voageja i Taurai Maduna, tamin'ny fanipihana manokana fa tsy dia raisin'ny governemantan'i Mugabe ho mampahatahotra loatra ny Aterineto.
“Ambaran'i Taurai amintsika fa miasa tsy ankiafinafina ny Kubatana, miaraka amin'ny fahafantaran'ny governemanta Zimbaboeiana ary afaka mila amin'ny fanorisorenana, amin'ny ankapobeny dia noho ny governemanta tsy mihevitra ny aterineto ho toy ny fitaovana iray hanatonana ny vahoaka manontolo fa ho an'ireo vato nasondrotry ny tany tafita fotsiny ihany.”
Nandritra izany, i Hope tao amin'ny This is Zimbabwe no nahita kisoa nanidina tany ananty tatitra, hoe nambaran'I Mugabe ny nahitàna “oranioma” ao Zimbaboe.
Mitatitra ny fisamborana ny lehiben'ny kabinetran'ny FNL ihany koa izy,
“Dingana goavana mankany amin'ny rariny ny nahasamborana voalohany ilay mpitarika ambony tao amin'ny FNL.
Ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny FNL ao Bojombora, Aloys Nzabampema, no tompon'andraikitry ny fanomezana baiko ny miaramila izay nanatontosa ilay fandripahana sivily tao Gatumba ny 13 Aogositra 2004, izay “heloka bevava mifanohitra amin'ny maha-olona” eo anatrehan'ny lalàna iraisam-pirenena.
Amin'ny maha tompon'andraikitra ambony ao amin'ny FNL an'i Nzabampema, voatonontonona ihany koa izy tamin'ilay fanentanana nivelatra be sy fandripahana tsy niato nataon'ilay vondrona tamin’ ireo sivily, anisan'izany ny vela-pandrika nahazo ny “Titanic Express” ny 28 Desambra 2000. Tsy maintsy mandinika ireo porofon'ny nandraisany anjara na tsia tamin'io fanentanana io ireo manampahefana Borondey, izany mbola “heloka bevava mifanohitra amin'ny maha-olona” ihany koa.
Na aiza na aiza eto amin'ity firenena ity, eny amin'ny seranam-piaramanidina tsirairay izay alehantsika, atao amin'ny fomba taloha avokoa ny endri-pamenoana taratasy rehetra, miaraka amin'ny taratasy karbôna. Hameno ny drafitry ny zotram-piaramanidina ianao, tolorana taratasy voalamina tsara ho fenoina, karbôna 3 no manelanelana ny taratasy tsirairay. Iray tamin'ireo seranam-piaramanidina nalehako, nisy lehilahy nanao izany ho ahy tamin'ny milina fanoratana efa tranainy. Mikapokapoka an'io zavatra io izy ary toy ny mpilalao amin'ny sarimihetsika tamin’ ny Ady Lehibe Faharoa no fahatsapàko ny tenako. Efa tranainy ilay lambakely misy ny ranomainty, ary tapany mena sy tapany mainty ny soratra avoakany. Tena mbola miasa tsara anefa ilay taratasy karbôna.
Efa nilaozan'ny toetrandro ihany ilay izy, saingy mety tsara ao an-toerana satria toa tsy mety simba ilay taratasy karbôna. Singa iray manan-danja tsara heverina izany raha roa taona lasa izay nisy fitaovana fampiasa amin'ny birao farany nalefan'ny foibe ary ny mbola tsy hay na ho rahoviana ny manaraka.
Nanoritsoritra ny fidangan'ny vidina iaorta kely iray i 007 In Africa.
Farany, Adventures of a Retired Armchair Traveler no nanambara fa ilay ben'ny tanànan'i Roandà, Paul Bisengimana, ben'ny tanàna taloha tao Gikoro, dia niaiky ny helony tamin'ny fisian'ilay fandripahana.
Malaoi : Tamin'ny fanehoankeviny tao amin'ny WSIS, nanaiky ilay solosaina entin-tanana misanda 100 Dolara i Mike of Hacktivate.
Nasongadin'i Geeta ny fiovan'ny famahàna ny olana tao Malaoi teo anatrehan'ny ady atao amin'ny VIH/SIDA,
Araka ny nolazaiko tany amin'ny lahatsoratatro hafa, misy fikorosiana fahan'ny fandaharanasa ady atao amin'ny VIH sy Sida. Ny vondrom-piarahamonina fampandrosoana manontolo no tonga saina hoe tokony haitatra hatrany amin'ny distrika ny fomba nataon'i Malawi. Ny fitsidihana tany amin'ny faritra vitsivitsy ivelan'i Lilongwe dia afaka milaza amin'ny vahiny rehetra ny tena maha-zavadehibie azy io .
Raha mitsidika ireo biraon'ny komisariàn'ny distrika ianao (izay toy ny Praiminisitra ao amin'ny faritany, saingy ambanimbany kokoa ny fahefany sy ny vola eo am-pelatanany), holazainy aminao ny tsy fahampian'ny fitaovana, ny fiofanana, ny enti-manana, fahalalana ary fahaizana, ary na dia ny fizakantena hanao ny safidy ilaina momba izay hiatrehana ny VIH sy Sida eny amin'ny distrika aza. Raha mitsidika ny biraon'ireo mpandrindra ny ady amin'ny SIDA eny amin'ny distrika (DACs), ho hitanao ao koa fa tsy manana solosaina mba manoratra ny tatitra izay tokony ho alefany aza ny sasany, tsy misy manana Aterneto, ary ny sasany aza tsy manana fitoeran-taratasy hametrahana ny antontan-taratasy akory.
Roandà :
Naka fotoana mihitsy i George hanansongadinana ilay fifanarahana nisy teo amin'ny Nokia sy ny Grameen Foundation> Mikendry ny hanomezana saram-pifandraisana mora kokoa ho an'ny firenena andalam-pandrosoana ilay fifanarahana.
Tamin'ny fanolorany fanazavana voalohany avy aminy momba ilay korontana nampihovitrovitra an'i Kampala tamin'ny herinandro lasa teo, nomeny ny fanazavana ny antony nanombohan-dry zareo voalohany azy iny,
Raha ny hita dia toa noheverin'ny govenemanta ho fanapahan-kevitra hendry ny nisamborana sy nanagadrana ny iray tamin'ireo kandidà ho amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, taorian'ilay hetsika natao teo amin'ny Oniversiten'i Makerere (mpianatra iray no maty novonoin'ny polisy) ary ny fihenjanana misy amin'izao fotoana izao mifandray amin'ny fanitsian-dry zareo ny lalampanorenana hamela ny Filoha Museveni hijanona mandrakizay eo amin'ny fitondrana (nesorina ny fetra fitondrana, izay aloha ny fahazoako azy).
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...