Tatitry ny Mpisera : Poretin'i Etiopia ny fahalalahana maneho hevitra
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2014)
Samy nandray anjara tamin'ny fandrafetana ity tatitra ity i Ellery Biddle, Lisa Ferguson, Alex Laverty, Hae-in Lim sy Sarah Myers
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amin'ny pejy anglisy avokoa ny rohy rehetra ato.]
Ny Tatitry ny Mpisera ato amin'ny Global Voices Advox dia mitondra topimaso amin'ireo fanamby atrehana, ireo fandresena sy fironana mipongatra amin'ny resaka fahalalahana nomerika manerana izao tontolo izao.
Ny famoahana tamin'ny herinandro lasa dia mitodika voalohany indrindra amin'i Etiopia izay, tamin'ny 25 Aprily, nisambotra mpikambana enina avy amin'ny Zone Nine, diso fantatra loatra amin'ny fanakianana ny politika sy ny famoretana. Notazonina hanaovana fanarahamaso ihany koa ny mpanao gazety iray, ahiahiana ho mifandray tendro amin'ilay vondrona . Ny ampitson'izay, mpanao gazety roa hafa ihany koa no nosamborina noho izay antony izay ihany. Araka ny loharanom-baovao sasantsasany, fiampangàna atao an'ireo bilaogera ireo ny hoe « niarahany niasa tamin'ireo fikambanana avy any ivelany milaza fa mitolona ho an'ny zon'olombelona sy… ny nahazoany famatsiambola mba hanaingàna herisetram-bahoaka tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy ». Maro ireo mpikambana ao anatin'ilay vondrona no mandray anjara ato amin'ny Global Voices, manao asan'ny mpandika na toniandahatsoratra. Tamin'ny 2012, nadray nandray anjara ny Zone Nine tamin'ny famoronana ny dika amin'ny teny amharique ny tranonkala GV . Tao anaty lahatsoratra iray momba ilay fisamborana, i Endalk no nanazava ny nipoiran'ny anarana iombonan'ilay fiarahamientana misy azy :
« Misy fonja be iray miorina any ambanivohitr'i Addis-Abeba, Kality, toerana itazonana amin'izao fotoana izao ny marobe amin'ireo gadra noho ny resaka politika, isan'ireny ireo mpanao gazety Eskinder Nega sy Reeyot Alemu. Nanome vaovao be dia be ho anay ireo mpanao gazety, momba ilay toeram-pamonjàna sy ny fomba fiainana mahaketaka tsy maintsy iainan-dry zareo ao. Mizara ho faritra valo i Kality, ka ilay faritra farany, ny Faritra Fahavalo, dia natokana ho an'ireo mpanao gazety, ireo mpikatroka mitolona ho an'ny zon'olombelona ary ireo mpanohitra. Rehefa nitambatra izahay, nanapaka hevitra ny hamorona bilaogy iray ho an'ilay fonja lasa fanoharana izay iainan'ireo Etiopiàna rehetra. Teo no teraka ny Zone Nine (Faritra Fahasivy). »
Samy efa nitaky ny hamotsorana an-dry zareo daholo ny Human Rights Watch, ny Committee to Protect Journalists sy ny Electronic Frontier Foundation
Fahalalahana maneho hevitra : Katsahan'i Arabia Saodita ny hiantohana ny fisian'ny « votoaty tsara kalitao » ao amin'ny YouTube
Nambaran’ireo manampahefana saodiàna, tsy ela akory izay, ny fandaharanasa natao hiantohana ny fisian'ny « votoaty tsara kalitao» ho an'ireo olompireneny any amin'ireo sehatra fandefasana lahatsary toy ny YouTube. Sosokeviny amin'izany indrindra ny hoe, ato ho ato dia ny Kaomisiôna iraisana misahana ireo fampahalalambavoavao haino vaky jery no mamoaka ny lisansa ho an'ireo fantsona YouTube izay handalo sivana fijerena ny « kalitao ». Tsy nampoizin'ireo manampahefana ny hahita olompirenena am-polony maro nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube nanakiana ny fianakavian'ny mpanjaka sy/na nitaraina mikasika ny karama na ny tsy fananana asa.
Any Rosia, misy lalàna iray vaovao nolanian'ny Douma, antenimiera mpanao lalàna ao amin'ny parlemanta, manery ireo bilaogera izay manana mpitsidika isanandro miisa maherin'ny 3.000 mba hisoratra anarana ao amin'ilay sampandraharaha rosiana mpandrindra ny fampahalalambaovao, Roskomnadzor. Araka izany dia hiantsoroka ny andrikitra manoloana ny lalàna mitovy amin'ny an'ireo mpampahalalal vaovao nahazatra ihany koa ireo bilaogera ireo, isan'izany ny fandraràna tsy hanao fanambaràna rehefa manakaiky ny andro fifidianana, nefa tsy mitovy akory ny fiarovana azo.
Ho setrin'io fiovàna ara-politika io, nasian'ny LiveJournal Russia fanovàna ireo ‘widgets’ mampiseho ho hitam-bahoaka ny isan'ny mpanjohy mba hivoahan'ny hoe « 2500+ » ho an'ireo bilaogy manana mpanjohy mihoatra ny 2.500, fa tsy ny fitambaran'ny tena isa marina. Ilay lohamilina tena fanaovana fikariohana, Yandex, tetsy andaniny dia nisafidy ny hanajanona ny tolotra tao aminy fanasokajiana ireo bilaogy, zavatra iray tena nalaza be teo aloha.
Herisetra: noho ny kaonty fanarabiana iray, nanao be midina tany an-tranon'ny olona iray mpampiasa Twitter ny polisy tao Etazonia
Voarara amin'ny fomba ofisialy izao ao amin'ny Twitter ireo kaonty fanarabiana, ary tsy vonona ny hisangisangy amin'ilay toedraharaha velively ireo manampahefana. Jim Ardis, ben'ny tanàna ao Peoria, tanàna kely iray ao anatin'ny Fanjakàn'i llinois, tsy ela akory izay, dia nametraka fitoriana ofisialy nanenjehany ilay kaonty mpanaraby @peoriamayor, na eo aza ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra voarakitra ao anatin'ny fanavaozana voalohany. Nahazo taratasy fanomezandàlana hanao fisavàna ny polisy, nanao bemidina tany an-tranon'ilay olona mitantana ilay kaonty ary nisambotra ilay mpiara-manofa aminy koa noho ny fitazonana rongony marijuana. Farany, ny mpampanoa lalàna an'ny fanjakàna dia nandà ny hametraka fitoriana, satria ny lalàna ao amin'ny Fanjakàna manasazy izay olona misandoka ho mpiasam-panjakana dia tsy maharakotra hatrany amin'ny sehatry ny media elektrônika. Taminà raharaha tany aloha, notsindrian'ny fiarovana fa ireo kaonty fanarabiana dia tokony tsy hiharan'ny fiampangàna ho nanala baraka raha toa ka mibaribary ny natiora maha-tsy izy azy. Amin'ny tranganà kaonty iray toy ny @peoriamayor, izay ny hafatra isanandro dia miresaka zavamahadomelina sy fampanofàna vatana (ohatra, « iza no nangalatra ilay pipa fifohako rongony ? »), dia toa hita ho nihatra ihany io fenitra io. Nakaton'ny Twitter ilay kaonty @peoriamayor.
Ilay shinoa bilaogera, Qin Zhihui, dia nizaka sazy telo taona am-ponja, sazy notinapaky ny tribonaly shinoa noho ny resaka « fanalambaràka» sy « fandrisihana fifandirana ary korontana », hoy ny CCTV. Izy no olona voalohany voaheloka tamin'ireo olona an-jatony nosamborina tao anatin'ilay fanentanan'ny governemanta « ady amin'ny tsaho ».
Zo hanana fiainana manokana : loza mitatao no andraisan'ireo manampahaizana ilay lalàna kanadiàna vaovao
Mba hiarovana ireo Kanadiàna amin'ny fisandohana ny momba azy ireo, misy lalàna kanadiàna iray vaovao, ny Digital Privacy Act (Bill S-4), mikendry ny hametraka ireo tsy maintsy atao amin'ny resaka famoahana torohay sy ny fiarovana ireo angondrakitra. Heverin'ireo mpanohitra ilay lalàna S-4, toa an'i Michael Geist, profesora mampianatra lalàna ao amin'ny Oniversiten'i Ottawa, fa hitondra mankany aminà fameperana marobe ny zo hanana fiainana manokana io, ary tafiditra anatin'izany ny tsimatimanota tanteraka ho an'ireo fikambanana rehetra manome torohay manokana momba ireo mpampiasa azy ho an'ny mpitandro filaminana na fikambanana iray hafa milaza fa manao fanadihadiana momba « ny (mety ho) famelezana ny fiainana manokan'ny olona iray », nefa tsy mandalo akory amin'ny tribonaly.
Fitantanana ny aterineto : Nouvelle-Zélande vonona ny hanaiky ny fahalalahana nomerika ve?
Garth Hughes, solombavambahoaka neozelandey, nanosoka lalàna tao amin'ny Parlementa, lalàna iray mifandraika amin'ireo zo sy fahalalahana nomerika, ikatsahana ny fiarovana ny zo ho afaka miditra amin'ny aterineto, ny fahalalahana maneho hevitra, hanana fikambanana, ny tsy fitanilàn'ny aterineto, ny zo tsy hitonona anarana, ny zo hanana fiainana manokana sy hiady amin'ny fanarahamaso. Tafiditra ao anatin'ilay sosokevitra ny dingana iray ho fakàna hevitra, izay hahafahan'ireo Neozelandey miady hevitra momba izay handrafetana ilay lalàna.
Tamn'ny herinandro, nifamory tao Sao Paulo nandritra ny fivoriana NETMundial ireo governemanta, fiarahamonina sivily, orinasa ary vondrom-piarahamonina avy amin'ireo sehatra akademika sy teknika, mba hiresaka ny hoavin'ny fitantanana ny aterineto. Nanao adihevitra mafana ireo mpandray anjara, momba ny tsy fitongilanan'ny aterineto, ny fanarahamaso faobe, ny zavabaovao « tsy misy fahazoandàlana » ary nofaranana tamin'ny fanoratana ny Multistakeholder Statement of Sao Paulo (Fanambaràn'ireo mpiaraka miombona antoka isan-tsokajiny), antontan-kevitra iray tsy an-tery sy tsy manelingelina velively ny resaka fanarahamaso izay nandrandrain'ireo fiarahamonina sivily fatratra. Nandritra ny kaonferansa an-dahatsary iray tao amin'ny Arena NETmundial, toerana ofisialy nanaovana ilay hetsika, nolazain'i Julian Assange ny momba ny fiandrianana nomerika, tamin'ny fiantsoana ireo fiarahamonina sivily mba « hamokatra rafitra iray hafa » miaraka amin'ireo « tambajotra vaovaon'ireo fikambanana, sy fotokevitra vaovao ary soatoavina vaovao ». Azonareo atao ny mijery an'i Ellery Biddle, Marianne Diaz sy Ben Wagner, mpikambana avy amin'ny Global Voices Advox, miresaka ny NETmundial nandritra ny GV Face tamin'ny herinandro lasa talohan'ity.
Indostria : fofonaina farany ho an'ny tsy fitongilanan'ny aterineto ao Etazonia
Nambaran'ny Kaomisiôna federaly misahana ny fifandraisandavitra ao Etazonia fa hametraka sosokevitra mahakasika ireo fepetra vaovao ry zareo mba hahafahan'ireo mpamokatra votoaty toy ny Netflix sy Disney handoa vola ho an'ireo mpanome tolotra fidirana aterineto mba hahafahaha misitraka tolotra haingam-pandeha kokoa, manamontsana indray mandeha tsy miverina ny tsy fitongilanan'ny aterineto. Dan Gillmor, mpandalina ao amin'ny Guardian, milaza fa miaraka amin'ireo fepetra natolotra dia « hanana fahefana goavana ny Verizon sy Comcast mba handray fanapahankevitra momba izay karazana vaovao hiantefa any amin'ny fitaovako sy ny anao, sy izay ho filaharany ary ny hafainganany ».
Ny fikatrohana sy ireo mpisera amin'ny aterineto : Manao hetsika hanoherana ny lalàna iray vaovao momba ny fifandraisandavitra ny mponina ao Meksikô
An'aliny maro ireo mpanao fihetsiketsehana nanangana rojon'olombelona tamin'ny Alahady 27 Arpily, niainga avy eo amin'ny foiben-toeran'ny Televisa ary niitatra namakivaky ny tanàna, ho fanoherana ireo fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifandraisandavitra izay lasa loza mitatao ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ety anaty tambajotra. Vinavinain'ireo mpikarakara ny hahatratraran'ilay rojon'olombelona ny trano fonenan'ny filoha Enrique Pena Nieto, izay loharano nipoiran'ilay fanavaozan-dalàna, saingy noteren'ny polisy hiova làlana ireo mpanao hetsipanoherana. Nahemotra ho amin'ny Jona ny fifidianana handaniana ity tolodalàna ity.
Fanontàna sy fandalinana (amin'ny teny anglisy avokoa)
-
Blogs as an Alternative Public Sphere: The Role of Blogs, Mainstream Media, and TV in Russia’s Media Ecology – Berkman Center for Internet and Society
-
The Global Information Technology Report 2014: Rewards and Risks of Big Data – World Economic Forum
-
The Legal Needs of Emerging Online Media: The Online Media Legal Network After 500 Referrals – Digital Media Law Project
-
Children, ICTs, and Development: Capturing the Potential, Meeting the Challenges – UNICEF
-
Why the Cybersecurity Framework Will Make Us Less Secure – Mercatus Center at George Mason University
Manao famandrihana hahazo ny Tatitry ny Mpisera amin'ny alàlan'ny imailaka.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...