Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2019
Côte d'Ivoire: Lahatsary vaovao manome ny antsipirian'ny fisamborana ny filoha teo aloha
Asehon'ny lahatsary ny ampahany tamin'ireo fizotran'ny raharaha nisamborana an'i Gbagbo, nanomboka hatrany amin'ny nidarohan'ny Tafika Manokana Frantsay ny tranony ka hatrany amin'ny famindrana ny fianakavian'i Gbagbo ho ao amin'ny Hotel du Golf.
Sambany hisy vehivavy hitarika oniversite eo amin'ny tantaran'ny firenena mozambikana
Mitovy amin'ny an'ny minisitra any Mozambika ny toerany ankehitriny amin'ny maha-lehiben'ny oniversitem-panjakana azy.
Niteraka hatezerana ho an'ny vahoaka ny filazan'ny filohan'i Angola tao anatin'ny antsafa fa tsy misy mosary ao amin'ny firenena
"Misy fanampiana ara-tsakafo any Angola ankehitriny, ary tsy misy afaka milaza fa misy hanoanana [goavana] any Angola fa resaka tsy fahampian-tsakafo no misy" hoy ny fanamarihan'ny filohan'i Angola.
Hitsidika an'i Mozambika mandritra ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana amin'ny volana Septambra ny Papa Fransoà
Hikarakara fifidianana amin'ny volana Oktobra i Mozambika ary mbola ao anatin'ny fanarenana ny voka-dratsin'ny rivodoza izay nandrava tamin'ny fomba virtoaly an'i Beira, ilay tanandehibe lehibe indrindra faharoa.
Afrika Atsimo: Tsara fanombohana ny Bafana?
Nanoratra momba ny ekipam-pirenena Afrikana Tatsimo ao amin'ny Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika ny South Africa Rocks hoe: "Tsy fanombohana ratsy ao amin'ny Group Of Death (GOD - hafahafa). Mipetraka amin'ny toerana tokana ankehitriny ny ekipa rehetra ao amin'ny vondrona ary farafaharatsiny tsy vodilaharana ao amin'ny vondrona."