Nanomboka ny volana Desambra 2018, lasa nivadika hetsi-panoherana nanerana ny firenena manohitra ny fitondran'i Omar Al Bashir efa naharitra ho telopolo taona ny hetsi-panoherana tany Sodana nateraky ny fiakaran'ny vidin'ny mofo ho avo telo heny.
Voatery nametra-pialana i Bashir ny farany ny Alakamisy 11 aprily 2019 .
AL-BASHIR IS OUT !! WE DID IT !!! #Sudan
— Alaa Salah (@iAlaaSalah) April 11, 2019
NIALA I AL-BASHIR !! NATAONTSIKA IZAY !!!
Nampiasa tetika sy fepetra henjana mba hampanginana ny hetsi-panoherana ny governemantan'i Bashir . Maherin'ny 40 ny mpanao fihetsiketsehana maty, ary an-jatony no nosamborina sy nampijaliana.
Tsy nanakana ny vehivavy tsy hilatsaka tamin'ny fomba matotra eo anivon'ny hetsi-panoherana ny fihetsika feno herisetra .
“There is no amount of beating or detention that could make us stop.”
These women and many more like them, are leading the huge protests against Sudan's President Omar al-Bashir.#SudanProtests l #SudanUprising pic.twitter.com/CWBr45Nbhn
— BBC News Africa (@BBCAfrica) April 6, 2019
“Tsy naha-sakana anay na ny daroka na ny fanagadrana.”
Nitarika ny hetsi-panoherana goavana manohitra ny filohan'i Sodana Omar al-Bashir ireo vehivavy ireo sy ny maro hafa tahaka azy ireo .
Today in Sudan we walk for women. Incarcerated women. Revolutionary women. Oppressed women. Refugee women. War torn women. Raped, battered and beat women. Women who are too loud and too brave for a country made for men.#مدن_السودان_تنتفض #موكب10فبراير #تسقط_بس #SudanUprising
— Qutoufy (@Qutoufy) February 10, 2019
Manao diabe ho an'ny vehivavy izahay androany ao Sodana. Vehivavy voafonja. Vehivavy revolisionera. Vehivavy voageja. Vehivavy mpitsoa-ponenana. Vehivavy rotiky ny ady. Vehivavy voaholana, voadaroka ary voavono. Vehivavy tena mampiaka-peo sy maherifo ho an'ny firenena natao ho an'ny lehilahy
Mitarika ny diabe izy ireo mihiaka ny Zagrouda, hirahira ampiasain'ny vehivavy mahazatra any amin'ny tontolo Arabo mba hanehoana fankalazana.
‘Zagrouda’ (or the women’s chant) has become the calling code for every protest in the street. When people hear these women’s voices, they know it’s the revolution call and that it’s time to start their march. #Sudan_Uprising pic.twitter.com/E2RasMe6tF
— Nandini (@nandi_naira) March 21, 2019
Lasa antso ho an'ny hetsi-panoherana rehetra eny an-dalambe ny Zagrouda’ (hirahiran'ny vehivavy). Rehefa mandre ny feon'ireo vehivavy ireo ny olona dia fantatr'izy ireo fa izay ny antson'ny revolisiona ary tonga ny fotoana hanombohana ny dian'izy ireo.
Nandritra ny volana Martsa, nanao ny akanjo fotsy thobe nentim-paharazana ny vehivavy ho fanohanana ny hetsi-panoherana sy ny zon'ny vehivavy. Feno ny sarin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana mitafy akanjo fotsy ny sehatry ny tambajotra sosialy niaraka tamin'ny tenirohy #diabefotsy (# مارس_الابيض)
Happy International Women’s Day
.
Impact Hub Khartoum Family
.#IWD19 #impacthub #impacthubkhartoum #WhiteMarch pic.twitter.com/HnJicvsLDQ— Impact Hub Khartoum (@ImpactHubKRT) March 8, 2019
Mirary andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy mahafinaritra
.
Fianakaviana Impact Hub Khartoum
Miatrika ny herisetran'ny polisy matetika ireo vehivavy manao hetsi-panoherana. Nandefa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana ary nitifitra bala tena izy sy nandrahona ny hanolana. Voalaza ihany koa fa voadaroka ny vehivavy, nifaritra ny endrik'izy ireo ary notapahana ny volon'izy ireo tany anaty fonja . Miparitaka isanandro ao amin'ny tambajotra sosialy ny lahatsary vaovao mampiseho ireo vehivavy Sodaney voadaroka sy nalaim-baraka:
Excessive brutality against elderly and women by police force in Khartoum North #SudanUprising #Sudan_Revolts pic.twitter.com/usTEXp1c3f
— SudanUprising (@uprising_sudan) January 14, 2019
Herisetra mahery vaika nataon'ny polisy tamin'ny zokiolona sy ny vehivavy tao Khartoum Avaratra
Nampiasaina hanehoana ny herimpon'ireo vehivavy tao Sodana ihany koa ireo tenirohy.
#SupportSudan
Video showing a Sudanese girl throwing tear gas canister back at the security forces. #Sudan ese girls and women have shown bravery beyond belief during the #Sudanuprising. #مدن_االسودان_تنتفض #موكب14مارس pic.twitter.com/84XbERPwyg— SUPPORT SUDAN (@All4Sudan) March 14, 2019
Horonantsary mampiseho ny ankizivavy Sodaney mitoraka ny baomba mandatsa-dranomaso miverina any amin'ny mpitandro filaminana. Naneho herimpony tao anaty finoana nandritra ny fitroarana tany Sodana ireo tovovavy sy vehivavy Sodaney.
Tamin'ity herinandro ity, nisy sary sy lahatsary niparitaka be avy amin'ny hetsi-panoherana. Nanangana ny tanany havanana ilay mpianatra injeniera mpanao mari-trano 22 taona, antsoina hoe Alaa Salah rehefa nitarika ny vahoaka tao anatin'ny hirahira antsoina hoe “Thawra” (teny Arabo milaza ny ‘revolisiona’) izy. Lasa nalaza be ny lahatsary sy ny sary ary niantso azy ho “Kandaka” ireo mpikatroka Sodaney izay anarana nomena an'ireo mpanjakavavy Nubian tany Soudan fahiny.
Don’t know her name, but this Woman in #Sudan is leading rallies, standing on car roofs, and pleading for change against autocratic Bashir.
Here she is singing “Thawra” (Revolution). Remember this voice: pic.twitter.com/0JG31Tp4rZ
— Joyce Karam (@Joyce_Karam) April 9, 2019
Tsy fantatro ny anarany, fa mitarika ny famoriam-bahoaka ity vehivavy ao Sodana ity ary mijoro eo amin'ny tafon'ny fiara izy mitaky ny fanovana amin'ny didy jadon'i Bashir.
Mihira izy eto “Thawra” (Revolisiona). Tsarovy ity feo ity
Nahatonga an'i Salah ho “Sarivongan'ny Fahafahana Sodaney” ireo sary namboarina nozaraina tao amin'ny tambajotra sosialy.
If one day I have a #daughter, I want her to be just like her♥️ #AlaaSalah 22 year old engineering and architecture student chanting and leading protest in #Khartoum she is now a symbol of #Sudanese #Revolution and became the voice of #WomenRevolutions #Sudan #WomenLove #Peace pic.twitter.com/pWxqJvCKN1
— Houda Henniche (@HoudaHenniche) April 10, 2019
Tiako raha tahaka azy ny zanako raha manan-janaka vavy aho indray andro any. AlaaSalah, mpianatra injenieran'ny maritrano 22 taona nihirahira ary nitarika hetsi-panoherana tao Khartoum, lasa mariky ny Revolisiona Sodaney izy ankehitriny ary lasa feon'ny Revolision'ny Vehivavy.
Hatreny an-dalambe ka hatrany amin'ny efijery
Ao ambadiky ny efijery, raha ny resadresaka momba ny fanambadiana sy ny fahamatimatesana teo aloha no nibahan-toerana ny vondrona Facebook dia lasa ny herisetran'ny mpitandro filaminana indray izao no mahazatra. Nanaparitaka lahatsary sy sary mampiseho ny mpitandro ny filaminana manararao-pahefana ireo vehivavy tao amin'ireny vondrona ireny. Rehefa fantatra ny nanao izany, matetika voadaroka ary voaroaka ny tanàna ilay polisy. Mahavariana ny fiantraikan'ireo vondrona ireo hany ka maro amin'ireo mpitandro ny filaminana no manafina ny endriny ankehitriny.
Nanandrana nanakana ny tambajotra sosialy tao amin'ny firenena ny manampahefana Sodaney, saingy nandingana ny sakana ireo vehivavy tamin'ny fampiasana ny Tambajotra Virtoaly Tsy Miankina (VPN), izay afaka manafina ny toerana misy ny mpisera.
Tsy feno ny revolisiona raha tsy misy zavakanto :
View this post on Instagram
Namokatra zavakanto ireo vehivavy mpanao sary hosodoko, mpanakanto nomerika, ary mpiangaly mozika mba hanampiana ireo hetsi-panoherana an-dalambe. Nampiasa zavakanto izy ireo hanomezam-boninahitra ny fiaretan'ny vahoaka, indrindra fa ny vehivavy. Namolavola zavakanto izy ireo hitaterana ireo hetsika sy ny sarin'ny niharam-boina ary nampiseho ny zava-misy iainana eo ambanin'ny rafitra famoretana.
“Women are front, left and center of the revolution. When people started protesting, they were like, ‘Women should stay at home.’ But we were like — no.” said Islam Elbeiti a 24-year-old jazz bass player.
“Eo anoloana, eo ankavia ary eo afovoan'ny revolisiona ny vehivavy. Rehefa nanomboka nanao hetsi-panoherana ny olona dia avy ny teny toy ny hoe: ‘Tokony hijanona any an-trano ny vehivavy.’ Fa – tsia hoy izahay. ” Hoy i Islam Elbeiti, mpiangaly jazz iray 24 taona.
Miady ho an'ny zon'ny vehivavy any Sodana
Ny 12 Martsa, nariana ny kapoka karavasy nihatra tamin'ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana miisa sivy izay voasazy tamin'ny kapoka karavasy in-20 sy iray volana am-ponja noho ny fanakorontanana. ny fitsaràna avo momba ny hamehana any Sodana nandritra ny fanerena avy amin'ny fianakavian'ireo vehivavy nivory teo ivelan'ny fitsarana.
Endrika fanasaziana mahazatra indrindra ho an'ny vehivavy any Sodana ny kapoka karavasy – mety hahazo kapoka karavasy noho ny heloka bevava toy ny fitafiana tsy mendrika na ny fanitsakitsaham-bady izy ireo.
Tamin'ny taona 2014, vehivavy iray no voaheloka ho faty noho ny fanambadiana lehilahy tsy Miozolomana, izay heverina fa fanitsakitsaham-bady. Tamin'ny taona 2015, vehivavy iray no nahazo kapoka karavasy in-75 satria nanambady lehilahy iray tsy nahazo fankatoavana avy amin'ny rainy.
Tamin'ny taona 2017, vehivavy miisa 24 no voasambotra noho ny fanaovana pataloha izay fandikana ny Lalàna Shari'a henjana .
Mihoatra ny kapoka karavasy indraindray ny sazy vokatry ny herisetra : vehivavy Sodaney maro no voaheloka ho faty hotoraham-bato .
Araka ny voalazan'ny Reuters, niaro ny toerany tamin'ny fanajana mafy ny Lalàna Shari'a tany Sodana tamin'ny taona 2011 i Bashir:
We want to present a constitution that serves as a template to those around us. And our template is clear, a 100 percent Islamic constitution, without communism or secularism or Western (influences).
Tianay ny manolotra lalàm-panorenana ho maodely ho an'ireo manodidina anay. Ary mazava tsara ny môdely izay lalàm-panorenana islamika 100%, tsy misy kômonisma na resaka lahika na (fanintonana) Tandrefana.
Ny fehezan-dalàna famaizana Sodaney izay mifototra amin'ny ny lalàna Shari'a (Lalànan'ny Islamika) dia mamela ny zazavavy vao 10 taona hanambady, ary milaza fa tsy azo lazaina hoe fanolanana ny fanolanan'ny vadiny ny vehivavy.
Ankoatra izany, mila miatrika ny “lalàna môraly” izay mamatotra azy ireo ary mampijaly azy ireo amin'ny fiainana andavanandro ny vehivavy.
Noho izany antony izany no mahatonga ireo vehivavy Sodaney ho loha-laharana amin'ny hetsi-panoherana mba hiady ho amin'ny fanovana.