Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tsanganana Tokana dia Nahaova Fiainan-dReny Somali Mananon-tena Mananjanaka Valo

A single blog post changed the life of this Somali mother of 8. Photo by Somali Faces (Donia and Mohammed). Used with permission.

Lahatsoratra bilaogy iray dia nanova ny fiainan'ity reny manan-janaka valo ity. Saripika avy amin'ny Somali Faces (Donia sy Mohammed). Nahazoana alalana.

Tamin'ny voalohany Mey, Nataon'ny Somali Faces voaloham-pejy ny tantaran'ny reny Somali mahantra iray izay Olona Mpifindramonina ao amin'ny Fireneny ihany ary mananjanaka valo mbola kely, tsy misy amin'izy ireo no manatrika sekoly.

Mizaka fanitsakitsahana noho ny maha-avy amin'ny foko Somali vitsy an'isa azy sy noho ny hamatroky ny volo-dokiny izy. Efa namisavisa ny hamono tena izy.

Sometimes I’m treated like a foreigner in my own country, like I don’t belong here. I’m a single mother of 8 and none of my children are at school. I clean houses whilst carrying the child I’m carrying now. The rest of my children look for any type of work that they can find. I know it’s a hard life and it’s not easy but what makes it so much harder and at times unbearable is how people treat me and my children. I sometimes feel like I’m in an ocean of people whose hearts are made of stone. Many discriminate against me because of my very dark skin colour. I tell them, that’s how God created me and I can’t change it. Either they reject me because I’m from a minority clan or because of my skin colour. Sometimes, I contemplate whether death is better for us than living in a wretched life.

Indraindray aho atao vahiny eto amin'ny fireneko, tahaka ny hoe tsy avy eto aho. Reny manano-tena manan-janaka valo aho ary tsy misy mankany an-tsekoly ny zanako. Manadio trano aho rehefa mitrotro ny zaza entiko amin'izao fotoana izao. Mitady ny karazan'asa mety ho hitany rehetra ny ambin'ny zanako. Fantatro fa sarotra ny fiainana ary tsy mora saingy ny mahamafy azy kokoa ary tafahoatra aza indraindray dia ny fomba hanaovan'ny olona ahy sy ny zanako. Matetika aho no mahatsapa ho ao anivon-driakan'olona fo vato. Maro ny manavakavaka ahy satria matroka loatra ny volonkoditro. Milaza azy ireo aho fa izao no nanaovan'Andriamanitra ahy ary tsy afa-manova izany aho. Manositosika ahy ry zareo noho izaho avy amin'ny foko vitsy an'isa na noho ny volonkoditro. Matetika aho no mieritreritra lalina fa tsara kokoa ho anay ny fahafatesana noho ny miaina fadiranovana.

Nihetsim-po tamin'ny tantarany ny mpamaky ary nanomboka nanangom-bola ho azy. Mitentina $4.000 ny vola voaangona tao anatin'ny 21 ora.

Taorian'ny fisian'ny fanomezana, nitatitra ny Somali Faces :

Your donations changed her family’s life. Because of you, she will have her own shop, her house will be repaired and she told us that with the money she will be making, she can easily pay for her children’s education. You couldn’t conceal her smile and happiness, at times; she had difficulty getting the words out. Never in a million years did she imagine that she would receive this amount of money. A week ago, she was discriminated against, hopeless and penniless and now, she has a continuous source of income for her family. We thank each every one of you for your unrelenting generosity and efforts to change this mother’s life. Somali Faces made sure that every dollar you sent was spent towards her family and we were involved every step when it came to the materials and how the money will be managed. We would like to thank Tadamun Social Society (TAAS) for their tremendous help. We will be monitoring her progress and will provide you with a video update 3 to 6 months from now on how her and her beautiful children are doing.

Nanova ny fiainam-pianakaviany ny fanomezana avy aminareo. Noho ianareo dia nanana trano fivarotana azy manokana izy, hamboarina ny tranony ary nilaza taminay izy fa amin'ny vola vidin-katsembohany dia afa-mandoa tsara ny fanabeazana ny zanany izy. Tsy afa-miafina amin'ny tsikiny sy ny hafaliany ianao, indraindray; tsy hitany izay ambara. Tsy namisavisa hahazo vola tahaka izao ao anatin'ny iray tapitrisa taona izy. Vao iray volana izay, noavakavahana izy, very fanantenana sy tsy manankoraisina ary ankehitriny, manana loharanombola mitohy ho an'ny fianakaviany izy. Misaotra ny tsirairay aminareo izahay noho ny fahalalahan-tanana tsy mety mitsahatra ao aminareo sy ny ezaka ataonareo hanovana ny fiainan'ity reny ity. Manome antoka ny Somali Faces fa ny dolara tsirairay nalefanareo dia nalefa hoan'ny fianakaviany ary nandray anjara tamin'ny dingana tsirairay izahay rehefa tonga teo amin'ny fampitaovana sy ny fomba hitantanana ny vola. Tianay ny misaotra ny Tadamun Social Society (TAAS) noho ny fanampiana goavana nataon'izy ireo. Ho arahinay maso ny fandrosoany ary hanolotra anareo lahatsarin'ny fanavaozam-baovao ao anatin'ny 3 ka hatramin'ny 6 volana miainga hatreto amin'ny zavatra ataony sy ny zanany.

Somali Faces dia tetikasa an-tserasera iray mizara ny fiainana andavanandron'ny olontsotra Somali manerana izao tontolo izao. Ny hevitra dia teraka avy amin'ny hevitr'olona anankiroa Donia Jamal Adam, mpilaza tantara, mpanandratra tenin'ny zon'olombelona sy mpanao fanentanana; sy Mohammed Ibrahim Shire, mpanoratra sady mpankafy tantaram-pirenena na tanàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.