Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Fanambaran'ny Vondrona Eoropeana Manoloana Ny Fanafahana An'i Marco Mavungo Tao Angola

Marcos Mavungo junto da sua família, depois de libertado. Imagem cedida por Revista Cabinda

Marcos Mavungo miaraka amin'ny ankohonany, taorian'ny nanafahan'ny Fitsarana Tampony azy. Saripika: Facebook, nampindramin'i Revista Cabinda

Namaly ny fanafahana ny mpikatroka Marcos Mavungo ny Vondrona Eoropeana (UE) raha resahina ny fanambarana nataony milaza fa tokony ho dingana voalohany mankany amin'ny fahazakan'ny governemanta, eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona ao Angola, ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony. Toy izao no tao amin'ny naoty, navoakan'i Bruxelles tamin'ny alarobia (25.05):

The recent decision of the Supreme Court of Justice acquitted Mr. Marcos Mavungo of the charges of rebellion against the State. It should allow further progress in the full and unhindered implementation of the rights of association and manifestation enshrined in Angola's Constitution and international conventions and regional human rights instruments the country adhered to.

Noafahan'ny Fitsarana Tampony madiodio tamin'ny fiampangana ho manao fiokoana amin'ny fanjakana i Marcos Mavungo. Izany fanapahan-kevitra izany no tokony ahafahana mametraka dingana vaovao amin'ny fametrahana feno ny zo hampijoro fikambanana sy haneho hevitra malalaka izay hasinin'ny Lalampanorenana ao Angola sy ny Fifanarahana Iraisampirenena ary ny zon'olombelona ao amin'ny faritra izay efa nohatevenin'ny firenena laharana.

APO – Fanambaran'ny Mpitondrateny tao amin'ny Fitsarana an'i Marcos Mavungo tao Cabinda (Angola):

Nosamborina i José Marcos Mavungo tamin'ny 14 de marsa 2015 ary voaheloky ny Fitsaram-Paritanin'i Cabinda  higadra enintaona tamin'ny fiampangana ho “mandrisika hanao fikomiana sy herisetra”. Ny alakamisy 19 mey de 2016, Noafahan'ny Fitsarana Tampony Madiodio amin'izany fiampangana ho nanao fikomiana amin'ny fanjakana izany i Marcos Mavungo ary nandidy ny hamotsorana azy.

Niteny tamin'ny DW-África i Mavungo, izay nody tany amin'ny ankohonany tamin'ny 20 mey, fa tsy hihemotra amin'ny tolona iadiana amin'ny tsy rariny mitranga ao Angola izy:

A luta continua na medida em que há mais pessoas que são assassinadas, perseguidas, existem casos de injustiça, julgamentos injustos, roubo do erário público, crianças que passam 433 dias sem pai simplesmente por causa do capricho de alguém que está no poder… Eu, como cristão, diante de todos esses males, não posso cruzar os braços.

Mitohy ny tolona amin'ny mbola fisian'ny olona misy mamono, manenjika, misy ny tsy rariny, fitsarana mitongilana, fangalarambolam-panjakana,  zaza tsy mahita ny rainy mandritra ny 433 andro noho ny haitraitran'olona iray eo amin'ny fahefana … Tsy afaka ny hiolonolona aho, amin'ny maha-krisitianina ahy, manoloana ireo faharatsiana rehetra ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.