Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Mey, 2016
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Ny Nanjavona
Mitondra anao any Ekoadaoro, Oganda, Bangladesh, Okraina ary Pakistan izahay.
Nanjakan'ny Mosary ny Fahazazany Tao Etiopia. Ankehitriny, Hitany Fa Lany Indray ny Sakafo
Manahy momba ny tanindrazany ny Etiopiana iray mpila ravinahitra noho ny haintany sy ny fiovaovan'ny toetrandro mandrahona hitondra mosary iray hafa.
Miverina Amin'ny Laoniny Ankehitriny Ny Media Sosialy Ogandey Rehefa Avy Notapahana Nandritra Ny Andro Maro
Nandidy ireo tranonkala hikatona noho ny "antony ara-pilaminana" ny Vaomieran'ny Fifandraisana tao Oganda talohan'ny fanokanana ny filoha Yoweri Museveni. Nanakana ny fidirana tamin'ny media sosialy ihany koa ny manampahefana nandritra ny fifidianana tamin'ny volana Febroary.
“Mitsikilo Ny Olom-pireneny” Ny Mpitondra Mozambikana, Araka Ny @Verdade
Ny lehiben'ny tafika no nisahana ny fanaraha-maso ny serasera teo anelanelan'ny 2012 sy 2014, ary ny Shinoa ZTE Corporation no nametraka ny rafitra. Voalaza fa nanomboka tamin'ny 2013 ny fihainoana ny fifandraisan'ireo olom-pirenena.
Voaheloka Dimy Taona Sy Efa-Bolana An-tranomaizina Ilay Ethiopiana Bilaogera Sady Mpikatroka
Nampifandray ny fampiasana ny fiarovana nomerika sy ny fampihorohoroana ny mpampanoa lalànan'ny fanjakana ao Ethiopia. Mitovy hevitra azy amin'izany ny mpitsara ao antoerana.
‘Biko Zulu’, ‘Antsoin-Dry Zareo Hoe Daktari Aho’ sy ‘Anganon'i Nenibe’ Anisan'ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Kenyana
Nambara nandritra ny lanonambe notontosaina tamin'ny 14 Mey tao Nairobi renivohitra ao Kenya ireo mpandresy tamin'ny Loka Bilaogy Kenyana.
Nilazàn'i Afrika Atsimo Ny Sasany Amin'ireo Onjampeo Fa Mila Mandefa Ireo Mozika Rehetra Avy Ao An-toerana
Ezaka iray ity mba ho fandrisihana ny vahoaka hanohana bebe kokoa ny mpiangaly mozika ao an-toerana.
Ogandà: Tsy Ho Alefa Amin'ny Fahitalavitra Ilay Fanentanana Fihantsian'ny Mpanohitra
"Mahamay ny taorian'ny #AndroManerantanyHoAnyFahalalanGazety. Tonga ny VazivazyMediaOgandà. Maneso"
Nandritra Ilay Famoretana Feno Rà Nandriaka, Nampiasa Bala Tena Izy Ny Polisy Hoy ireo Gambiana Mpanao Hetsipanoherana
Ampahany amin'ny hetsika tsy mbola nisy toa azy tao Gambia hitakiana ny fanavoazana ny fifidianana sy ny fialàn'ny filoha Yahya Jammeh ireo hetsi-panoherana nitranga.
Didian'ny Fitsaràna Ao Afrika Atsimo Hamerina Ny Volam-bahoaka Ny Filoha Zuma
Namoahan'ny Fitsaràn'ny Lalàm-panorenana ao Afrika Atsimo didy fa hoe nanitsakitsaka Lalàm-panorenana ny Filoha Jacob Zuma rehefa nandà ny tsy hamerina ny volam-bahoaka araka ny fangatahan'ny mpiahy ny vahoaka ao amin'ny firenena