Mozika Nataon'i Valsero, Kameroney Mpiangaly Rap, Hamelezana Ny 33 Taona Naha-teo Amin'ny Fitondràna Ny Filoha Biya

A screengrab od Cameroonian rapper Valsero from Motion de Soutien video.

Pikantsarin'ny lahatsary “Motion de Soutien” an'i Valsero, ilay Kameroney mpiangaly RAP.

Namoaka rakikira vaovao miaty hira tokana i Valsero, iray amin'ireo mpiangaly rap tena mirotsaka be amin'ny firesahana ny sosialy sy politika ao Kamerona, ka ao anatin'izany no androsoany ho antsika ireo kiana mivaivay momba ny “jadona” nandritry ny 33 taona naha-filoha an'i Paul Biya.

Ilay hira, mitondra lohateny hoe “Motion de Soutien” (fanehoana fanohanana) , dia nantokany ho an'ny vahoaka Kameroney no sady valinkafatra iray tsy dia tsara pasoka loatra momba ireo  “motions of support” avy amin'ireo mpanaradia ny antoko eo amin'ny fitondrana ao Kamerona, mangataka an'i Biya ,ilay lahiantitra efa 83 taona, hikatsaka fe-potoam-pitondrana iray vaovao hafa indray amin'ny 2018.

Ireo tononkira dia mikendry lavitra noho izay telompolo taona tsy nahatanterahan'ireo toky nomena, fampanantenana poakaty, nofinofy tsy tanteraka, hakiviana faobe, kolikoly sy hadisoam-panantenana ao Kamerona:

33 ans de dictature
33 ans de corruption
33 ans de népotisme
33 ans de destruction
33 ans de souffrance de misère sans interruption
33 ans d'arrogance, de violences et d'humiliation
33 ans de mensonges bercés par des illusions
33 ans de pénitence de sueur de larmes à profusion
33 ans de prières toujours en quête de solution
33 ans de 33 pour noyer nos ambitions

33 nisian'ny jadona
33 nisian'ny kolikoly
33 nisian'ny kiantranoantrano
33 nisian'ny faharavàna
33 nisian'ny fahantràna sy fanaintainana tsy nisy farany
33 nisian'ny fidedahana, herisetra ary fanalàm-baràka
33 nisian'ny lainga norotsirotsian'ireo nofinofy tsy to
33 nisian'ny fibebahana, hatsembohana ary ranomaso nitosaka
33 nisian'ny vavaka mbola mikatsaka vahaolana hatrany
33 nisian'ny fanafàrana labiera 33 handrendrehana ny faniriantsika

Araka ny ambaran'i Valsero, ny vokatra nateraky ny fitondran'i Biya nandritry ny 33 taona dia fifindramonina faobe nataon'ireo tanora Kamerone manao izay rehetra azony atao hahitàna kijàna maitso màvana:

Regarde ces jeunes ! Ils ne rêvent plus sinon de partir très loin
Regarde ces jeunes ! Ils ne luttent plus, ça sert à rien pour certains
Tu veux garder le Cameroun pour toi ? OK, on te le laisse !
Va s’y prends-le ! Et si tu veux, étouffes toi avec !
On préfère prendre la Mer et mourir parmi les poissons
Y a plus de chances de s'en sortir au milieu des requins

Jereo ireo tanora ireo! Tsy misy nofisin-dry zareo intsony afa-tsy ny handeha lavitra
Jereo ireo tanora ireo! Tsy mitolona intsony, tsy misy dikany izany ho an'ny sasany
Tianao ve ny hitazona an'i Kamerona ho anao samirery? OK, avelanay ho anao irery io
Alefa e, raiso! Ary raha izay no tianao, matesa miaraka aminy ao!
Aleonay mandray ny ranomasina sy maty miaraka amin'ny trondro
Manana vintana kokoa ho tafavoaka izahay eny anivon'ireo antsantsa [toy izay hijanona eto Kamerona]

Ary, ao anatin'ny iray amin'ireo famelezana mivantana nataony ho an'ny filoha, kapoka karavasy avy amin'i Valsero ity :

Tu as fini par rendre plus faible une nation qui était plus forte avant.
J'espère que tu es content, car pour moi tu resteras le dernier des présidents.
Un jour viendra où tu payeras ta facture…
Le people aura sa revanche dans cette vie ou une autre…

Vitanao ny namadika ho firenena faran'izay osa ilay firenena faran'izay natanjaka fahiny, ary antenaiko fa faly ianao izao
Raha ny momba ahy, hijanona hatrany ho filohan'ny iray amin'izany karazana ratsy izany ianao
Ho avy ny andro handoavanao ny trosanao…
Hahatanteraka ny valifatiny ny vahoaka, na ho amin'ity fiainana ity, na ho amin'ny fiainana manaraka

Nianga tamin'ny ‘Taratasy ho an'ny  Filoha’ ary tonga amin'ny ‘Fanehoana Fanohanana’

Antsoin'ireo mpankafy azy amin'ny anaram-bosotra hoe ‘Ilay Jeneraly’, niaka-tsehatra tamin'ny 2009 i Valsero niaraka tamin'ilay hira mitondra lohateny hoe “Taratasy ho an'ny Filoha” ka tao anatiny no niantsoany an'i Biya hanapaka amin'ireo sangany amin'ny fandrobàna sy mpirehareha ao Kamerona ary hanome vintana ireo tanora voageja sy natao an-jorom-bàla ao Kamerona. Ny “Taratasy ho an'ny Filoha” no nametraka an'i Valsero ho feon'ireo voaporitra , teo ankilan'ilay mpihiran'ny fanoherana, Lapiro de Mbanga.

Nanomboka teo, namoaka hira maro i Valsero — tamin'ny fanampiana taratasy roa vaovao ho an'ny Filoha—nilazàny ny alahelony momba ny tsy fahavononan'ireo sangany avy amin'ireo mpitondra ao Kamerona hiatrika ny olana ara-toekarena sy sosialin'ny firenena, ary ny fanohizan'ny filoha ny tsy firaharahiana ny fitarainan'ny tanora Kamerone.

Ny mombamomba ilay ‘rapper’ natolotry ny Radio France International (RFI) tamin'ny 2010 dia nanazava ny fiarahabana ny hirany nataon'ireo manampahefana ao Kamerona :

Nisafidy ny tsy hangina i Valsero. Ao Kamerona, firenena iray izay amin'ny ankapobeny, noho ny tahotra ny famoretana, dia mijaly am-pahanginana ny vahoaka, na mijanona mangina fa ho tambiny dia ilay mpihira manta vava miaraka amin'ny fitafy mafàna toy ny vato latsaka avy any an-danitra. Vokany,  tsy alefa amin'ireo fampielezampeo na TV an'ny fanjakana ireo hirany mahatahotra, ary ireo matetika fampisehoana ataony no tsy omen'ny manampahefàna fahazoandàlana na tapahan'ny polisy.

‘Mozika mamintina ny tsy fahombiazan'ny rafitra napetrak'i Paul Biya ity’

Nampiakatra afo tao Kamerona ny hiran'i Valsero, ary tao anatin'ny ora vitsy namoahana azy tao amin'ny Youtube sy Facebook  dia niely be ilay lahatsary. Tondraky ny adihevitra mahamay sy mazàna miaty tsy hafaliana manodidina ny hafatr'i Valsero ny media sosialy.

Taminà lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook, milaza ilay bilaogera, Mark Bareta hoe :

Mozika mamintina ny tsy fahombiazan'ny rafitra napetrak'i Paul Biya ity…. Izay rehetra hitantsika ankehitriny miaraka amin'ny fitondran'i Biya dia vokatry ny  fitantanana tsy mahomby, hadisoam-pijery, tsy fahampian'ny fahaizana mijery lavitra, tsy misy politika mitsinjo ny ampitson'ireo fotodrafitrasa, ny kolikoly, sns .

Ho an'i Franky Taz, mpampiasa Twitter :

Fitsirihana ny heloka bevava nataon'ny fanjakàna io. Ilainay ny fanahy feno fahasahiana anananao. Fanohanana tsy misy fepetra no omenay anao  @GeneralVALSERO #Valsero.

Sady manaiky ihany fa hira iray mahafinaritra ny “Motion de Soutien”, mino i Cheikh Kemit TSIMI mpampiasa Twitter, na izany aza, fa mandrisika ny Kamerone hiforitra hanaiky izay manjo azy ilay izy :

Mampalahelo kokoa fa tsy hoe dia mahery setra ilay hira vaovaon'i Valsero; miresaka betsaka momba ny fandosirana andraikitra fa tsy fahazakàna. Tsara na izany aza.

‘Ratsy endrika ity firenena ity, saingy mbola hiarina indray’

Mba hanimbazimbàna ilay hira vaovao dia naka ihany koa ny media sosialy ireo mpanenjika sy mpanakiana an'i Valsero, izay mpanohana ny filoha ny ankamaroan'izy rehetra. Tao anaty fanehoankevitra iray nalefan'ny iray tamin'ireo vondrona Facebook Kamerone midadasika indrindra, ampangain'i Zulu Uhem Mesut ho tsy manam-pitokisana hivoaka ho mpandresy i Valsero :

Comme le Maréchal Pétain en Juin 1940, VALSERO est un GÉNÉRAL LÂCHE. Il invite la jeunesse camerounaise des ÉGOUTS à abdiquer face au combat de la survie quotidienne en prenant le chemin de l'exil RISQUÉ. Surprenant plutôt pour un GÉNÉRAL des DAMNÉS !

Nous préférons encore danser au rythme de ” COLLER LA PETITE”… qui nous donnent l'espoir… au lieu de nous associer à des appels à immobilisme du GÉNÉRAL FUYARD, déserteur du FRONT DE GUERRE.

Toa an'i Maréchal Petain tamin'ny Jona 1940, jeneraly kanosa i Valsero, izay mangataka amin'ireo Kamerone tanora anaty tatatra mba hiala vehana manoloana ireo ady hivoahana velona isanandro. Hafatra mahagaga io avy amin'ilay Jeneralin'ny voaozona io!

Aleonay aza mandihy amin'ny hira toy ilay “Coller la petite” [izay voaràra vonjilaika tsy ho azo nalefa tao Kamerona noho ny tononkira tsy mifanaraka amin'ny toetsaina] izay manome fanantenana ho anay… toy izay hihaino ireo antso hanao zavatra tsy misy dikany avy aminà Jeneraly iray nandositra vava-ady.

Tao anaty taratasy misokatra iray tsy nisy sonia nalefa ho an'i Valsero, iray hafa mpanohana ny filoha no miteny fa ireo Kamerone mihitsy no olana fa tsy i Biya:

Le Cameroun va mal c’est vrai, et ce depuis des décennies, certains fonctionnaires incompétents, voleurs, détourneurs de fond publics, des hommes d’affaires égoïstes qui au lieu de créer les richesses ne pensent qu’a devenir maire ou députés pour avoir des facilites dans l’import-export, Changeons d’abord d’habitudes.

Frater laisse les histoires des 33 ans la, faisons ce que nous avons à faire pour que le pays avance…

Valsero le pays ci va mal, mais il va se relever, voilà pourquoi le chef de l’État a parlé de résilience, comme moi, il sait qu’un état fort impose le changement des mentalités.. »

Tsy mandeha amin'ny tokony ho izy i Kamerona, marina izany, ary efa nandritry ny taompolo maro io, ireo mpiasam-bahoaka sasany tsy mahay na inona na inona, mpangalatra, mpanodina volam-bahoaka, ireo mpandraharaha tia tena, izay raha tokony hamorona harena dia tsy mihevitra afa-tsy ny ho lasa ben'ny tanàna na solombavambahoaka, mba hahazoany fanamoràna ny asa fanondrànana sy fanafarana entana. Ndeha aloha isika hiova fomba fanao.

Frater avelao ho eo ny tantaran'i 33 nitondràn'i Biya, ndao atao izay tokony hataontsika mba handroso ny firenena…

Valsero, tsy mandeha amin'ny tokony ho izy ity firenena ity, saingy mbola hiarina izy, izany no antony nitenenan'ny filoha faharetana, toa ahy rahateo koa, fantany fa ny fanànana firenena matanjaka dia mila fiovàna toetsaina.

Tsy nisy aloha ny fanehoankevitra ofisialy hatreto avy amin'ny governemanta ao Kamerona na avy amin'ny filoha. Na izany aza, azo antoka fa tsy ho alefa amin'ireo onjampeo sy fahitalavitra an'ny fanjakàna ity hira ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.