Tetikasa ‘Enfants du Pays (Zanaky Ny Firenena)’ Mahatsiaro Ireo Niharam-boina Tamin'ny Krizy Tao Borondi
Enfants du pays (Zanaky ny Firenena) dia tetikasa iray avy amin'ny ekipa Borondey mandrakitra sy mizara ny tantaran'ny olona tsirairay namoy ny ainy nandritra ny krizy mitohy mba ho “velona” hatrany ny fahatsiarovana azy ireo.
Tamin'ny Aprily 2015, niharan'ny famoretana ny fihetsiketsehana manohitra ny filoha mirotsaka hofidiana amin'ny fehim-potoam-piasana vaovao indray, niteraka herisetra ara-politika izany ary nihamafy avy eo, ka nisy ny fikomiana mitam-piadiana, fisamborana faobe, fandosirana mpitsoa-ponenana, ary vonoan'olona.
Maro ireo Borondey avy amin'ny firehana ara-politika samihafa no tafiditra tao anatin'ny fifandonana. Indraindray anefa, tsy mampiseho ny tantaran'ny tsirairay ao anatin'ny famoizana sy ny tolona ny fitaterana ny zava-nitranga hanazavana ny sary lehibe.
Mitanisa ny sasany amin'ireo niharam-boina ny habaka Enfants du pays, izay ahitana fijoroana vavolombelona mampihetsi-po avy amin'ny fianakaviana sy namana. Ohatra, ny momba an'i Charlotte Umugwaneza, mpikatroka miady amin'ny kolikoly sady mpikambana ao amin'ny antokon'ny Hetsika ho amin'ny Firaisainkina sy ny Demokrasia, hita maty voatifitra tamin'ny Oktobra 2015 rehefa nosamborin'ny mpiasan'ny Sampan-draharahan'ny Fitsikilovam-pirenena, namela kamboty sy vady mananon-tena izy.
#WomensDay Charlotte Umugwaneza: fille, epouse, mère, patriote https://t.co/awIlM5HbTx
— Cynthia Rama (@cynthiarama158) 8 mars 2016
#Andron'nyvehivavy: Charlotte Umugwaneza: zanakavavy, vady, reny, tia tanindrazana
Na i Jean Népomucène Komezamahoro, zatovo maty voatifitry ny polisy rehefa tafiditra tao afovoanin'ny fihetsiketsehana andro voalohany indrindra, namela ny fianakaviany tao anaty fisaonana.
Nahatonga ny fanangonam-baovao ho sarotra ny tsy fandriampahalemana, ka nandao an'i Borondi ireo mpikarakara ny Enfants du pays hatramin'ny nanombohan'ny tetikasa tamin'ny taona lasa noho ny fandrahonana herisetra.
Nilaza ny tranonkalan-dry zareo fa ny tanjony dia:
This space is to tell the story of the victims of Pierre Nkurunziza’s 3rd term, the stories of the people, “enfants du pays”, their hopes, dreams, challenges, shortcomings, and their premature and unjust deaths. We aim to tell their individual stories, to humanize their struggle, to return their dignity….to recognize their contribution to the nation and to not let their lives be lost in vain or be left anonymous.
Ity sehatra ity dia hizarana ny tantaran'ireo niharam-boinan'ny fehim-potoam-piasana fahatelon’ i Pierre Nkurunziza, ny tantaran'ny olona, “enfants du pays” [zanaky ny firenena], ny fanantenan'izy ireo, ny nofinofy, ny fanamby, ny tsy fahampiana, ary ny fahafatesana aloha loatra sy tsy ara-drariny nihatra tamin'izy ireo. Ny tanjonay dia ny hizara ny tantaran'ny tsirairay mba hamantaran'ny olombelona ny tolon'izy ireo, sy hamerenana ny fahamendrehan'izy ireo… .ho famantarana ny anjara birikin'izy ireo ho an'ny firenena sy tsy hamelana ny ain'izy ireo ho verivery foana na navela tsy fantatra anarana.
Niresaka tamin'ny tompon'ny tetikasa ny The Observers, tranonkalam-panaovan-gazety ifarimbonana ampiantranoin'ny fantsom-baovao France 24, namariparitra ny fanapahan-keviny tamin'ny tapaky ny volana 2015 ny tompon'ny tetikasa fa handray andraikitra ho fanehoana ny fahatezerany amin'ny fiharatsian'ny herisetra ao amin'ny fireneny, :
There’s been so much bloodshed that many people here think that non-violent actions are pointless. But we remain determined. Even though this project is draining, it means a lot to see how important it is for the families. Most of them are so happy that someone wants to know about their loved one.
Be loatra ny ra mandriaka fa maro ny olona eto no mihevitra fa tsy mamokatra ny hetsika tsy misy herisetra. Saingy mbola vonon-kiroso izahay. Na dia miha-ritra aza ity tetikasa ity, midika izany fa mila jerena ny halehibeny ho an'ny fianakaviana. Ny ankamaroan'izy ireo dia tena faly fa misy olona te hahafantatra momba ny havan-tiany.
Putting names and faces to victims of Burundi's crisis #oF24 @EnfantsDuPays @sophiepilgrim https://t.co/XS7KuHZyEe pic.twitter.com/tgwE4jsQsI
— The Observers (@Observers) 2 mai 2016
Mametraka anarana sy endrika amin'ireo niharam-boinan'ny krizin'i Borondi
Kendren'ny tetikasa ihany koa ny hiasa miaraka amin'ny Borondey any ampielezana sy hanangana fampirantiana ara-javakanto any amin'ny tanàna maro manerana izao tontolo izao hanao fanairana amin'ny sanda ara-olombelon'ny krizy, ka hametraka asa kanto misy ifandraisany amin'ny lasibatra sy ny zavatra iainana ao anatin'ny tsy fahamarian-toerana ara-politika, ka ho fanaovana izany no nametrahana ny fanangonana anjara biriky. Efa nanatontosa fampirantiana tahaka izany ry zareo tao New York, ary nifampizarana tao amin'ny pejy Facebook ny sary.
PC Mbonimpa at @ChinatownSoup for the opening of @EnfantsDuPays art exhibit. Pls visit thru May 1! @NelsonNiyakire pic.twitter.com/v8rDjWkO26
— Samantha Lakin (@S_Lakin1) 29 avril 2016
PC Mbonimpa tao amin'ny @ChinatownSoup nandritra ny lanonam-panokafana ny fampirantiana artistikan'ny @EnfantsDuPays. Tongava mijery anay hatramin'ny voalohany mey !
Ny hosodoko amin'ny sioka eto ambony dia mampiseho an'i Pierre-Claver Mbonimpa, mpikatroka mpandala ny zon'olombelona fanta-daza izay voatifitra tao anaty fikasana hamono olona tamin'ny faramparan'ny taona 2015, ary nentina hotsaboina tany Belzika. Manana fianakaviana maty tamin'ireo sotasota ihany koa izy.
Nandritra ny krizy, voasakatsakana, araka izay tratra ny gazety mahaleotena, saingy maro ny mpanao gazety, mpandala ny zon'olombelona ary ny olom-pirenena no nampiasa fomba vaovao hitaterana sy handraketana ny zavamisy amin'ny fampitam-baovao, anisan'izany ny radio sy ny media sosialy miafina mitatitra avy any an-tsesintany.
Mitovy amin'izany ihany koa, mampiasa ny fampitam-baovao ny Enfants du pays hampielezana araka izay tratra ny fahatsiarovana ireo matin'ny krizy ara-politika maherisetra, sy ny ratram-po tavela ao amin'ireo nilaozana. Natao izao hanalefahana ny fitantarana notsotsorina amin'ny fifanandrinan'ny endrik'olombelona. Nahazo hafatra fanohanana feno fientanentanana an-tserasera ny hetsik'izy ireo. Araka ny nolazain'ny mpisera Twitter @kagapina :
Thank you #EnfantsDuPays for making sure #Burundi -ans do not die “twice”. #Sindumuja https://t.co/wrc0Jh7uDX
— Gaps (@kagapina) 23 novembre 2015
Mankasitraka anareo ry #EnfantsDuPays amin'ny fanaovana an'i #Burundi-ey tsy ho faty “fanindroany”

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Desambra 2019 13 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 167 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...