· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Janoary, 2011

Sodàna: Hiteraka fanjakana vaovao ve i Afrika amin'ny 2011?

  05 Janoary 2011

Hiteraka fanjakana vaovao ve i Afrika amin'ny 2011? Hanao fitsapan-kevi-bahoaka i Sodàna Atsimo na hoe hijanona na tsia ho faritr'i Sodàna izy amin'ny 9 Janoary 2011 araka ny ao anatin'ny Fifanarahana Ankapobeny ho amin'ny Fandriam-pahalemana tamin'ny 2005 teo amin'ny governemanta foibe ao Khartoum sy ny Hetsi-panafahan'ny Vahoaka ao Sodàna. Fitsapankevi-bahoaka iray koa no hatao amin'io fotoana io ihany any Abyei mikasika ny hoe ho lasa faritr'i Sodàna Tatsimo na tsia.