RD Kongo : Fahatsiarovana mangingina ny faha-50 taona namonoana an'i Patrice Lumumba

Patrice Lumumba, saripika Wikimedia

Nanamarika ny faha-50 taona namonoana an'i Patrice Lumumba, Praiminisitra voafidy voalohany any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) nantsoina hoe Zaïre teo aloha, ny 17 Janoary. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Laurent Désiré Kabila tamin'ny 1997 no lasa andro tsy fiasana teo amin'ny firenena io daty manantantara io. Ny nahatsakaiky tamin'ity fanisan'andro nahadikidiky ity dia ny 16 Janoary 2011 no nanamarika ny faha-10 taona namonoana an'i Laurent Désiré Kabila, izay mpitarika ny Alliance of Democratic Forces for the Liberation of Congo na Firaisankinan'ny Hery demokratika ho Fanafahana an'i Kongo (ADFLC).

Tsy nanakana ny vahoaka Kongoley sy ny tany ampielezana hanao hetsika fahatsiarovana ity faha-50 taona nahafatesan'i Lumumba ity anefa izany fifangaroana datim-pahatsiarovana izany.

Tao amin'ny vohikalan'ny Radio Okapi, iray amin'ny fampielezam-peo fampahalalam-baovao voalohany, no nandrenesanay fa nisy Lamesa notontosaina tao amin'ny Katedraly Notre Dame, tany Kinshasa. Ny nampiavaka ny tamin'ity taona ity dia natao hahatsiarovana ireo roalahy mpiara-dia tamin'ilay maherifon'ny fahaleovantena ihany koa ny fotoana:

“Contrairement aux précédentes commémorations, la messe d’action de grâce de ce lundi 17 janvier 2011 a été célébrée en mémoire de Maurice Mpolo et Joseph Okito, les collaborateurs de Lumumba tués avec lui.”

“Tsy toy ny tamin'ny fahatsiarovana teo aloha, natao hahatsiarovana ireo mpiara-miasa sy niara-novonoina taminy ihany koa dia i Maurice Mpolo sy i Joseph Okito ny lamesam-pahatsiarovana notontosaina ny alatsinainy 17 Janoary 2011 ity.”

Ao amin'ny valan-tserasera twitter kosa dia fotoana nanararaotana ny nosoratan'i Lumumba farany ho an'ny vadiny andro vitsy nialoha ny fahafatesany ny tontolo andro. JF Mikwa, sy ny maro hafa, no nizara ny rohy ahitana izany taratasy voalaza izany.

Friends of the Congo, (naman'i Kongo) fikambanana iray miorina any Washington DC miasa ho amin'ny fampivoarana ny fitondrana tsara tantana any Kongo, no nanomana nandritra ity andron'ny alatsinainy 17 Janoary ity any New York, ny fandefasana an-tsarimihetsika fanadihadiana ny momba an'ity praiminisitra ity ary narahina adihevitra izany.

Tany Bruxelles, ny bolongana Cheik Fita News, vaovao natokana ho an'ny Kongoley monina any Belzika, no nitatitra ny fisiana diabe nokarakarain'ny fikambanana “mémoires coloniales” (tsiahin'ny fanjanahantany) ny andron'ny 16 Janoary 2011. Renay ihany koa fa nanao fanangonan-tsonia ity fikambanana voatonona ity izany nampitondrainy ny lohateniny hoe “ny Marina, ny rariny ho onitra ho an'ny vahoaka Kongoley” mitaky ankoatra ny zavatra hafa amin'ny fitondrana Belza ny fanekeny ny andraikiny tamin'ny famonoana ity olo-malaza ara-politika ity:

“L'État belge et les divers acteurs de ces multiples meurtres doivent reconnaître leur responsabilité et les assumer”

“Tsy maintsy manaiky sy mandray ny andraikiny tamin'ireo famonoana olona isan-karazany ny fitondrana belza sy ireo olona mpandray anjara isan-karazany tanatin'izany.”


DIABE AHATSIAROVANA AN I LUMUMBA TANY BRUXELLES 20110116_144318
nalefan'i CONGOLAISDEBELGIQUEINFO. – Ny malaza amin ny lahatsary ankehitriny.

Na dia voalaza aza izany fihetsiketsehana rehetra izany dia mbola mety te-haontany ny ilana ity fahatsiarovana an'i Lumumba ity ny sasany. I Faraja Bm ao amin'ny Facebook no nilaza ny alahelony fa tsy mba nisy andro marina nomanina ho fahatsiarovana (nanerana) ny kaontinanta afrikana.

“This Guy should also have a day of observation… I mean real day of Observation!”

Tokony hanana andro iray ahatsiarovana azy ity lehilahy ity…izany hoe andro iray apetraka ho fahatsiarovana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.