Israely/Palestina: Fanehoan-kevitra momba ny Antontan-taratasin'i Palestina

Androany ny  Al Jazeera amin'ny teny Anglisy dia namoaka ny voalohany indrindra amin'ireo antontan-taratasy anatiny efa maherin'ny 1,600 avy amin'ny dingana ho fikatsahana fandriampahalemana teo amin'i Israely sy Palestina, nomena anarana hoe “Antontan-taratasin'i Palestina.” Ireo taratasy navoaka androany dia namoaka ho fanta-bahoaka ny fifanarahana miafina maromaro nifanaovan'ny Lehiben'ny mpanelanelana OLP, Saeb Erekat sy ry zareo Israeliana, isan'izany izay nolazain'ny Al Jazeera ho “marimaritra iraisana tsy mbola nisy toa azy ho fizarazaràna an'i Jerosalema sy ireo toerana masina ao aminy.”

Blake Hounshell (@blakehounshell), mpanao gazety monina ao Doha, maneho hevitra momba ilay famoahana voalohany, dia nilaza hoe: ” Heveriko fa ny andro androany dia mety ho tsarovana ho toy ny andro nahafatesan'ny vahaolana teo amin'ny firenena roa tonta #palestinepapers.” Tsy azo lazaina ho maivana ny fanehoan-kevitra izay nanaraka an'io tany amin'ny manodidina ny faritra.

Ilay Jordaniana @Mayousef toa tahaka ny manaiky, saingy tsy dia gaga loatra amin'ny vontoatin'ireo taratasy:

Fantatsika izany izao fa mpamadika ireo olon'ny OLP, noheveriko ho avy miaraka amin'ny forongo vaovaony ry zareo fa tsy ny antsipirihan'ireo vaovao tranainy #PalestinePapers

@majdal, mipetraka any Italia toa an'i Hounshell, dia mahita azy ity ho toy ny fiafaràna:

Toe-draharaha mankaloiloy. Tsy haharitra ela ny PA aorian'io. #palestinepapers

Na dia betsaka amin'ireo fanakianana avy ao amin'ny Twitter aza no ho an'ny Manampahefana Palestiniana amin'ny ankapobeny, raha ny hevitry ny maro, be kokoa ny andraikitra manandrify an'i Saeb Erekat:

@KonWomyn (toerana tsy fantatra), dia manana hambara  toy ity mikasika an'i Erekat:

Ankehitriny dia manao dia mianotra i Saeb Erekat izay tsy mbola fanaony mihitsy nanoloana an'i Israely. Mazava be fa aretina fototra ho an'ny ara-politika ny fahaverezan-tsaina. #palestinepapers

Ilay Sodane @simsimt, manao resaka ambadika momba ny fanambaran'i  Erekat fa hoe ny hany zavatra tokana tsy hainy idirana dia ny Sionista, dia mino fa efa voaisa ny andron'i Erekat amin'ny maha-mpanao politika azy:

Lehilahy efa tampin-dàlan-kaleha ilay tsy-sionista Saeb Erekat. Iza no manaraka? #palestinepapers

Ny olona sasany manamarika fa mihoatra lavitra ny Manampahefana Palestiniana ny fanomezantsiny. @Elizrael, mipetraka any Israely, dia manana fomba fijery hafa:

tsy mampahazo aina ireo Mpitondra Palestiniana ny #PalestinePapers, nefa saino ny fomba ataon'ireo Mpitondra Israeliana eny rehetra eny – mandà ny fandriana fahalemana isak'izay mihetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.