Tontolo Arabo: “Atsaharo ny mitomany ho an'i Sodàna”

Nametraka ny firenena ho eo ambanin'ny fanarahamason'ny tontolon'ny twitter Arabo ny fitsapan-kevi-bahoaka tany Sodàna mikasika ny fahaleovantena androany. Hatrany Arabia Saodita ka hatrany Palestina dia mandefa tweets mikasika ny firaisan'i Sodàna, ny fisarahana sy ny harena ny Arabo.

Anisan'ny ao anatin'ny Fifanarahana Naivasha 2005 teo amin'ny governemanta foibe ao Khartoum sy ny Hetsi-panafahan'ny Vahoaka ao Sodàna ny fitsapan-kevi-bahoaka ary mety hahitàna ny fihatàhan'i Sodàna Atsimo amin'ny ambin'ny firenena.

Avy any Arabia Saodita, manontany i Omar Alattas :

متي ستظهر نتايج انتخابات السودان
Rahoviana no ho lazaina ny valin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tao Sodàna?

Ary avy eo mamehy:


اليوم ستصبح الجزائر أكبر دولة عربية عوضا عن السودان بلد المليون ميل
Androany dia soloin'i Alzeria ny toeran'i Sodàna eo amin'ny firenena Arabo be velarana indrindra

Bader Aujan, avy any Arabia Saodita ihany koa, dia matoky mikasika ny hoavy:

ألمانيا اتحدت بعد أنقسام وهونغ كونغ عادت للصين بعد أقتطاع وستعود السودان إن شاء الله وسيكون الأنفصال دافعاً قوياً للتنمية
Nitambatra i Alemana taorian'ny fisarahany, niverina tamin'i Sina i Hong Kong taorian'ny nisarahany, ary mino aho fa hiverina ihany koa i Sodàna. Mino aho fa ho hetsika mafy hoan'ny fandrosoana ity fisarahana ity.

Hoy izy manampy ety afàra:

Ohatra lehibe i Alemana amin'ny hoe ahoana ny firenena roa nisaraka indray andro any no ho tafaraka indray am-pilaminana. Tsy zava-maningana akory i !

Ary i Mohamed Osman, mandefa tweet avy any Arabia Saodita ihany koa , dia miantso ny mpamakiny:

نرجوا من الأخوة العرب الأعزاء عدم النياحة والردح في موضوع السودان، 26 سنة من الحرب وأنتم صامتون فأكملوا صمتكم
Ry rahalahy Arabo, aoka re izay ny fitomaniana sy fanaovana an'i Sodàna ho olana e. Nisy ady nandritra ny 26 taona izay tsy nampisoka-bava anao. Ka miangavy azafady mba tohizo ny fahanginanao amin'izao fotoana izao.

Mivavaka ho an'ny firaisan'i Sodàna ilay Palestiniana Bahaa AlKayyali:

الوحدة للسودان… الوحدة
Firaisana ho an'i Sodàna .. Tokana

Raha avy any Jordania indray, manondro ny hamaron'ny haren'i Sodàna i Ali Dahmash:

Fantatrao ve fa any amin'ny atsimo no misy ny 70%n'ny famokarana solika any Sodàna. Tsy mahagaga intsony raha manohana ny fisarahana i John Kerry & ny mpanao politika Amerikana!

Ndao hiverina any Arabia Saodita, manontany tena i Bandar Bin Naif, :

قمر صناعي أنشىئ خصيصا لمراقبه الاستفتاء والأحداث في السودان، هل هو حبا في السودان أم مباركة للإنفصال
Zana-bolana iray manokana mihitsy no nalefa mba hanaraha-maso ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fandrosoana any Sodàna. Natao ve izany noho ny fitiavana an'i Sodàna sa ho fitsofan-drano ny fisarahana?
Today's independence referendum in Sudan has put the country on the radar in the Arabic twitterosphere. From Saudi Arabia to Palestine, Arab tweeps are discussing Sudan's unity, division and resources.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.