· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Septambra, 2011

Filipina: Lolong, Mamba Goavana Indrindra Manerantany

  13 Septambra 2011

"Mifaha" ao Filipina ankehitriny ny mamban-dranomasina mirefy 6,4 metatra ary heverina ho ny goavana indrindra amin'ny karazany manerantany. Mitaky ny hanafahana azy ho any amin'ny fiainan-dia any amin'ny fitondrana ny mpiaro ny 'zon'ny biby'. Ny mpisera hafa moa mampitaha ilay mamba amin'ny mpanao politika mpanao kolikoly

Kambodza: Manao Fihetsiketsehana Hiarovana ny Ala ny ‘Avatar’

  13 Septambra 2011

Niakanjo sy nihaingo tahaka ny foko Na'vi ao amin'ilay sarimihetsika Avatar, nanohitra ny tetikasa fanadiovana ny ala Prey Lang izay hosoloina toera-pambolena sy toera-pitrandrahanana ny tambanivohitra Kambodziana. Prey Lang no ” ala lehibe midadasika indrindra  eo amin'ny tany lemaka sy sisa tavela ao Kambodza sy ny saikanosy Indoshina.” Tsy isalasalana fa Prey...

Nifidy Filoha Vaovao i Singapore

  08 Septambra 2011

Dr Tony Tan dia voafidy ho Filoha fahafito ao Singapore ny 27 volana Aogositra nefa ny elanelan'ny vato nandreseny dia salan'isa 7,269 fotsiny. Nahangona 35.19 isan-jato tamin'ny fitambaran'ny vato fotsiny izy kanefa dia ampy izany handresena ireo Kandida telo hafa tamin'ny fifidiana Filoham-pirenena voalohany tao Singapore tato anatin'ny 18 taona

Shina: “Sakafo maimai-poana” ho an'ny Mpianatra Ambanivohitra avy amin'ny Fanampiana madinidinika

  06 Septambra 2011

Nanakorontana lalina ny fanabeazana Shinoa ny elanelam-pihariana misy eo amin’ny tontolo andrenivohitra sy ny tontolo ambanivohitra. Miantraika amin’ny mpianatra any ambanivohitr’i Shina ny olana ara-drafitra tahaka ny fampianarana, fandraharahana, fotodrafitr’asa ary ny kojakojam-pampianarana noho ny tsy fahampiam-bola. Any amin’ny faritra tena mahantra, na dia ny famahanana ny kilonga mba hananany...

Myanmar: Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro

  04 Septambra 2011

Nisy Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro ao Myanmar natsangana ho fanohanana ny hetsika fanafahana ny mpanao gazetin-dahatsary ‘Free Burma’. Ny sarintany dia mijery sy manome fampahafantarana fohy momba ny fonja 43 ao Myanmar. Mpanao gazetin-dahatsarin'ny Democratic Voice of Burma miisa 17 no voatazona ankehitriny.

Malezia: Generation 709 miantso fihavaozana politika

  02 Septambra 2011

Taorian'ny fihetsiketsehana Bersih tamin'ny 9 Jolay, vondrona tanora Maleziana ankehitriny no tonga hanohy ny fitakiana fifidinana malalaka sy marina, izay antsoin'izy ireo manokana hoe ‘Generation 709’ na ‘Taranaka 709’. Ny Mpikarakara ny Taranaka 709, Lee Khai Loon, no nanoratra tao amin'ny Malaysia Today fa: 709 dia tsiaro iraisan'ny mponina avy amin'ny...