Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2017
Iran: Nandoro Tobin-tsolika Ireo Mpanao Fihetsiketsehana
Mpanao fihetsiketsehana Iraniana tezitra no nandoro tobin-tsolika maromaro tany Tehran sy tanàn-dehibe hafa tamin'ny Alarobia, rehefa nanambara famerana solika ho an'ny fiaran'olon-tsotra ny governemanta Iraniana.
Nolavin'ny Facebook “tamim-pahadisoana” Ny Sary Famantarana Ho Fahatsiarovana Ny Fandripahana Tao Tiananmen
Niala tsiny ny Facebook noho ny fandràrana "tamim-pahadisoana" ny fampiasana sary famantarana vonjimaika ho fahatsiarovana ny Fandripahana tao amin'ny Kianja Tiananmen, izay natao tamin'ny 4 Jona 1989.
Iran: Mahatsiaro Ilay Famonoana Faobe Tamin'ny Taona 1988 Ireo Fianakaviana
Faha-19 taona namonoana ny gadra politika Iraniana an'arivony izay nalevina tao amin'ny fasana faobe tao Khavaran tamin'ny taona 1988 ny 31 Aogositra. Nitsidika ny fasana misy ny zanany, ny rahalahiny, ny anabaviny izay nalevina tsy nisy anarana na famantarana ireo namana sy havan'ireo niharam-boina.
Iran: Manome Aingam-panahy Ny Zavakanto Ny Hetsi-panoherana
Manohy ny famoronana ny asakanto an-tserasera ny olom-pirenena Iraniana sy tsy Iraniana ho fanohanana ny hetsi-panoheran'ireo Iraniana manohitra ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona tao Iran
Iran: Hetsika Sy Sarin'ny Mpikatroka Maitso
Loharanom-baovao lehibe ho an'ny fampahafantarana ny olana sy ny zava-tsarotra mikasika ny natiora sy ny tontolo iainana ao Iran ny bilaogy maitso. Mandray anjara mavitrika amin'ny fanentanana ireo bilaogera maitso mba hiarovana ny natiora sy ny biby.
Ejypta: Ny Sioka Ihany No Mahafaly Rehefa Mitondra Ny Firodanan'ny Fitondrana Izy Ireo
Rotaky ny tombantombana ny Twitter satria manohy mitatitra ny fampahalalam-baovao fa hametra-pialàna androany hariva ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak. Vao avy nanambara ny Filankevitra Ambony ny Tafika fa mivory tsy tapaka izy ireo mba 'hiaro ny firenena "sy ny" hetahetam-bahoaka. "
Ejypta: Kabarin'i Moubarak Nohorakorahan'ny Vahoaka Tao Amin'ny Kianja Tahrir
Niresaka tamin'ny vahoakan 'i Ejipta i Moubarak sahisahy androany alina, nilaza fa hijanona ho filoha mandra-pahatongan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny Septambra izy, saingy hanolotra ny andraikitry ny filoham-pirenena ho an'ilay filoha lefitra vao notendrena, Omar Sulieman izy.
Ejypta: Tara Ny Kabarin'i Moubarak!
Andrasana hiresaka amin'ny vahoaka manerana ny firenena i Moubarak rahariva- hahemotra foana matetika ny fotoana fantatra fa hisian'izany kabary izany. Leo ny miandry, namono fotoana ny mpisera Twitter ary nampiala voly
Mamela ny Ivoahan'ny Dokambarotra Ara-politika Ankehitriny Ny Tambajotra Sosialy Lehibe Indrindra Ao Rosia, Saingy Tsy Ho An'ny Rehetra Izany
Nandrarà ny dokambarotra ara-politika ny Vkontakte, tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, miaraka amin'ny famerana hentitra izay hitondra tombontsoa ho an'ny fijoroana ara-politika ao amin'ny firenena
Nahazo Ny Lokan'ny Fahalalahana An-tserasera RSF Ny Tranonkala Iraniana Miaro ny Zon'ny Vehivavy
Nanome ny tranonkala ho an'ny zon'ny vehivavy we-change "Loka ho an'ny Mpisera" ny Reporters Without Borders (RSF) sy ny Google noho ny asan'izy ireo miaro ny fahalalahana maneho hevitra."