Nolavin'ny Facebook “tamim-pahadisoana” Ny Sary Famantarana Ho Fahatsiarovana Ny Fandripahana Tao Tiananmen

Fung Ka Keung (ankavanana) sy ny sary famantarana 4 Jiona. Sary: Fung Ka Keung/HK Alliance, tao amin'ny Facebook. 

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Ellie Ng ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 30 Mey 2017. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panovana noho ny fifanaraham-piarahamiasa.

Niala tsiny ny Facebook noho ny fandràrana “tamim-pahadisoana” ny fampiasana sary famantarana vonjimaika ho fahatsiarovana ny Fandripahana tao amin'ny Kianja Tiananmen, izay nitranga tamin'ny 4 Jona 1989.

Ny fomba fiasan'ny sary ao amin'ny Facebook dia ahafahan'ny mpiserasera manova ny sary famantaran'izy ireo ho fanohanana hetsika. Ny sary voalaza eto, sary etsy ambony, dia mitondra hafatra mitaky ny rariny ho an'ireo mpanao hetsi-panoherana Tiananmen sy mitaky ny fitsaharan'ny “fitondrana jadona” ao Shina.

Zava-mahazatra ho an'ny vahoakan'i Hong Kong ny mankalaza ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia tamin'ny taona 1989 tao Tiananmen sy ireo niharam-boina nanao sorona ny ainy ho an'i Shina tsara kokoa ao amin'ny media sosialy. Satria efa akaiky ny faha-28 taonan'ny fandripahana, nihiaka ny teny filamatra toy ny hoe “Aza manadino ny 4 Jona”, “Famaliana [Faty] ny 4 Jona”, sy ny hoe “Atsaharo ny fitondrana jadona” ny vahoakan'i Hong Kong. Nanao fiaretan-tory mandrehitra labozia ihany koa izy ireo tao amin'ny Victoria Park.

Voaràra ao amin'ny tanibe Shina ny ankamaroan'ny hetsika fankalazana. Ny teny toy ny hoe “Tiananmen”, “4 Jona”, “1989” dia voasivana ao amin'ny aterineto, tahaka izany koa ny sarina “labozia mirehitra”. Saingy ao Hong Kong, malalaka ny olona hiresaka momba ny fahatsiarovana sy ny fomba fijeriny momba ny zava-nitranga ao amin'ny haino aman-jery sosialy.

Ka rehefa nahafantatra ireo mpisera Facebook tao Hong Kong fa nanivana ny sary famantarana 4 Jona ny Facebook, dia nisy ny tabataba. Niahiahy ny olona fa nivarotra ny fahalalahana maneho hevitra ao Hong Kong ny goavan'ny aterineto mba hampitoniana an'i Shina.

Nilaza tamin'ny HKFP ny Tale Jeneralin'ny Sendikàn'ny Mpampianatra Matihanina ao Hong Kong Fung Ka-keung, izay nanamboatra ny sary fa nametraka ny sary mba hodinihana amin'ny Zoma eo amin'ny 5 ora hariva, 26 May izy.

Nilaza izy fa nahazo fampahafantarana tao anatin'ny 24 ora, izay milaza fa nolavina ny sary noforoniny; noho izy tsy manaja ny fepetra fampiasàna sy ny politikan'ny orinasa. Nilaza ny Facebook  fa “manambany, mandrahona na manafika olona manokana, fikambanana, zom-pirenena na vondrona ara-dalàna ilay sary famantarana .”

Nametraka sary hafa mampiseho labozia sy lahatsoratra hoe “Aza manadino ny 4 Jona” i Fung, manantena fa hankasitraka izany ny Facebook. Tamin'ny 30 May, mbola eo ampanadinihana indray ilay sary.

Nanontany ireo mpitsikera raha misy ambadika politika ny fanapahan-kevitry ny Facebook. Tamin'ny 29 May, taorian'ny fitaterana ny zava-nitranga tamin'ny vaovao, namoaka fialan-tsiny ity goavan'ny media sosialy ity ary nanaiky ny sary tany am-boalohany. Niresaka tamin'ny HKFP ny mpitondratenin'ny Facebook iray:

We mistakenly rejected the said photo frame. We apologise for the incident and have notified the relevant user that the frame has been approved.

Nolavinay tamim-pahadisoana ilay sary. Miala tsiny izahay noho ny zava-nitranga ary mampahafantara ireo mpiserasera fa efa nekena ny sary.

Saingy nilaza i Fung fa tsy sahaza ny valiln-teny.

Facebook should give an explanation, since it hasn’t approved another frame and is taking an unusually long period of time to review it.

I think if I only submitted one frame and it was not approved, it might be a technical problem or an issue with the art. But we have a frame that was originally rejected, and another that is still under review after a long time – it makes people suspect the decision might be political.

Tokony hanome fanazavana ny Facebook, satria tsy nekeny ny sary hafa ary naka fotoana ela tsy mahazatra izy vao nandinika izany.

Mihevitra aho fa raha nandefa sary iray aho ka tsy nekena, dia mety ho olana ara-teknika ny antony na olana amin'ny zavakanto. Saingy manana sary nolavina tany am-boalohany isika, ary iray hafa izay mbola eo am-pandinihana taorian'ny fotoana ela be – ka mahatonga ny olona miahiahy fa misy ambadika politika ny fanapahan-kevitra.

Maherin'ny 1000 ireo olona nanova ny sary famantarana azy ireo tamin'ny fampiasana ilay sary efa nekena, araka ny filazan'i Fung.

Efa ho 28 taona taorian'ny famoretana feno herisetra tao Beijing nandritra ny fihetsiketsehana notarihan'ny mpianatra tao amin'ny kianjan'i Tiananmen, mbola fady hatrany ao Shina tanibe ny zava-nitranga. Sivanin'ny governemanta Shinoa ireo boky mikasika ny hetsika ary sakanana ireo fikarohana antserasera momba ny lohahevitra manan-danja.

Mbola tsy nanome ny tarehimarika ofisialy momba ireo maty tamin'ny famoretana i Beijing , na dia nilaza aza ireo mpanara-maso tsy miankina fa maherin'ny 1.000 no maty.

Voasakana tao Shina nanomboka tamin'ny taona 2009 ny Facebook, saingy nilaza ny Tale Jeneraliny, Mark Zuckerberg fa maniry mbola hiditra indray eo amin'ny tsena Shinoa izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.