Nandrarà ny dokambarotra ara-politika ny Vkontakte, tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, miaraka amin'ny famerana hentitra izay hitondra tombontsoa ho an'ny fijoroana ara-politika ao amin'ny firenena .
Araka ny tranonkala TJournal, vao haingana no nahamarika ny fiovana politika ilay mpandalina ara-politika Dmitry Kovalev. Nisarika ny saina momba ny lalàna vaovao nivoaka tao amin'ny Vkontakte i Kovalev tao amin'ny lahatsoratra Facebook tamin'ny Alatsinainy, izay milaza fa tsy ampiharina amin'ny fitaovana fanaovana fampielezan-kevitra ao amin'ny Federasiona Rosiana ny fandraràna ny tranonkala amin'ny dokambarotra ara-politika
Na dia rehefa miresaka momba ny fampielezan-kevitra ao Rosia aza dia nanamafy ny fameperana maro ny Vkontakte, ary manenjika ireo olona rehetra izay mihoa-pefy amin'ny politika ara-dalanan'ny firenena . Araka ny lalàna vaovao, ny Vkontakte dia hivarotra ny sehatry ny dokambarotra amin'ireo kandidà ara-politika izay voasoratra ofisialy ao amin'ny Foiben'ny Vaomieran'ny Fifidianana ao Rosia (voasakana ireo kandidà tsy ofisialy, tahaka an'i Alexey Navalny amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018), ny antoko politika voasoratra anarana (voasakana ny vondrona mpanohitra izay mandà ny fisoratana anarana avy amin'ny governemanta), ary amin'ny fikambanana ara-tsosialy izay manana kandidà mpikambana voasoratra anarana amin'ny fifidianana.
Ivelan'ireo fitsipika ireo, mandrara indrindra “ireo dokambarotra amin'ny endrika ara-politika rehetra” ny Vkontakte, anisan'izany ny dokambarotra amin'ny alàlan'ny famoahana lahatsoratra ara-politika, ny tranonkalan'ny depiote-mpanjakana, ny “mpisehatra ara-politika,” ny mpitondra fanjakana, sy ny mpanao fihetsiketsehana, ary ireo dokambarotra rehetra izay mampiely “ny fanehoan-kevitra momba ny hetsika politika” ihany koa.
Nilaza tamin'ny TJournal ny Vkontakte fa efa napetraka nanomboka tamin'ny volana Septambra ny fitsipika mikasika ny dokambarotra ara-politika amin'izao fotoana izao , kanefa tsy nety nilaza ny orinasa hoe iza ireo kandidà nametraka dokambarotra fampielezan-kevitra tao amin'ny tranonkalany tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tao Rosia tamin'ny mihitsan-dravina farany teo.
Naminavina tao amin'ny Facebook i Kovalev fa afaka mamorona ny “mpandrindra ny politika anatiny lehibe indrindra” ao amin'ny firenena ny famelana ny dokambarotra ara-politika ao amin'ny Vkontakte sy Odnoklassniki, tambajotra sosialy roa lehibe indrindra ao Rosia izay samy an'ny Mail.ru.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...