Iran: Nandoro Tobin-tsolika Ireo Mpanao Fihetsiketsehana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny taona 2007 ity adika eto ity)

Mpanao fihetsiketsehana Iraniana tezitra no nandoro tobin-tsolika maromaro tany Tehran sy tanàn-dehibe hafa tamin'ny Alarobia, rehefa nanambara famerana fanomezana solika ho an'ny fiaran'olontsotra ny governemanta Iraniana.

Misy ny vaovao nipoitra tao amin'ny IIna [Fa], masoivohom-baovao Iraniana momba ny Asa, nitatitra fa nisy olona namoy ny ainy tao Yasouj, faritra atsimo-andrefan'i Iran, nandritra ny fihetsiketsehana. Firenena manan-karena solika i Iran, saingy tsy ampy fahaiza-manao amin'ny fanadiovana solika izy ary tsy maintsy manafatra eo amin'ny 40 isanjaton'ny lasantsiny. Nisy ny hetsi-panoherana satria ny antony voalohany dia satria hatramin'izao dia zatra mameno vola hatrany amin'ny resaka lasantsy ny governemanta, izay tena tsy lafovidy mihitsy. Vokatr'izany, ambony dia ambony ny fanjifàna lasantsy  ao Iran, ary maro ireo miankina amin'ny fiaran'izy ireo mba hanana nafidiram-bola. Araka ny filazan'ny BBC, miezaka manakana ny fanjifàna solika araka izay azo atao i Iran mba hisorohana ny sazin'ny Firenena Mikambana noho ny fandaharan'asa nokleary ao amin'ny firenena.

Bilaogera maro no nitatitra ny hetsika tamin'ny alalan'ny famoahana sary, lahatsary ary – mazava ho azy – ny hevitr'izy ireo.

Afo, lasantsy sy lahatsary

Ity ny iray amin'ireo horonantsary momba ny fanafihana ny tobin-tsolika izay navoakan'ny olom-pirenena Iraniana tao amin'ny YouTube.

Namoaka horonantsary maromaro mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana tezitra i Sheyda. Milaza ilay bilaogera fa nanatontosa ireo horonantsary ireo izy mba ho hitan'ny Iraniana monina any ivelany, satria, noho ny sivana ataon'ny governemanta, tsy afaka miditra ao amin'ny tranonkala malaza fizarana lahatsary YouTube ny Iraniana ao anatin'ny firenena.

Namoaka sary maromaro misy ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitry ny governemanta hametra ny lasantsy ihany koa i Shervingz: ny fitohanan'ny fifamoivoizana, fihetsiketsehana sy fandoroana tobin-dasantsy.

Nilaza ny The Spirit of Man fa:

angry people have blocked the main highway in Tehran and several serious clashes have occurred in gas stations across the capital. The amount of anger among the people is such that police forces have refused to intervene in some parts of the city where roads are blocked and people have shattered the buildings’ windows.

Nosakanan'ireo olona tezitra ny lalambe tao Tehran ary nisy ny fifandonana lehibe goavana nitranga teny amin'ny tobin-tsolika manerana ny renivohitra. Tahaka izany ny habetsaky ny fahatezerana teo amin'ireo olona ka tsy nety nirotsaka an-tsehatra  ny mpitandro ny filaminana tany amin'ny faritra sasany ao an-tanàna izay misy ireo lalana nosakanana ary namaky ny varavarankelin'ireo tranobe ihany koa ny olona.

Rooznamehnegarno, bilaogera sady mpanao gazety nilaza [tamin'ny teny Farsi] fa eo ampahamaiza noho ny fandoroana ireo tobin-tsolika tao Tehran. Nilaza izy fa mijery fotsiny izay zava-mitranga ireo olona marobe ary maka sary.

Governemanta mikorontana

Nanoratra [fa] i Jomhour fa, araka ny tatitry ny haino aman-jery, nosamborina ireo mpanao fihetsiketsehana miisa 80, na ireo olona nanafika ny tobin-tsolika. Araka ny filazan'i Jomhour, nilaza ireo solombavambahoaka  mpandala ny mahazatra sasany tao amin'ny parlemanta sy ny tranonkalam-baovao sasany fa  mpampihorohoro ireo olona ireo izay mikarama mba handrava tobin-tsolika, filazana izay nolazain'i Jomhour fa mahatsikaiky sy tsy mitombina. Nilaza i Jomhour fa ny zavatra hitanay raha ny marina dia fanehoan-kevitra manoloana ny fanapahan-kevitra tsy mitombina noraisin'ny governemanta sy ny tsy fahaiza-mitantanany. Nilaza koa izy fa tokony miala tsiny ny governemanta noho ireo fahavoazana nateraky ny fanapahan-keviny.

Nilaza [Fa] i Razehno fa mbola nandray fanapahan-kevitra lehibe tampoka indray ny governemanta Iraniana: nanambara rafitra vaovao mikasika ny lasantsy ny governemanta ary niteraka fitohanan'ny fiara sy varo-maizina avy hatrany izany. Tamin'ny hevitr'i Razehno, ny fanapahan-kevitra tampoka noraisin'ny governemanta no tompon'andraikitra tamin'ny firohotra teny amin'ny tobin-tsolika sy niteraka korontana be dia be teo amin'ny mponina.

Mohammad Ali Abtahi, filoha lefitry ny firenena teo aloha, nilaza [fa] fa manaporofo ity hetsika ity fa, amin'ny lafiny iray, tsy matoky ny governemanta ny vahoaka, ary etsy ankilany, mikorontana ny governemanta.

Any am-paosin'ny vahiny ny volanay

Nilaza Shima fa azo inoana fa nambara ny ampahany iray amin'ny fanomezan-tsazy vaovao noho ny namoahana ny fandaharan'asa nokleary Iraniana, ary mety ho anisan'izany ny fametrahana sazy fandraràna fanafarana lasantsy. Nilaza koa ilay mpamahana bilaogy fa nandany miliara maro ny governemanta Iraniana mba hanohanana ireo “mpampihorohoro” ao Iraka, Libanona, sy Palestina, saingy tsy mety mandany vola amin'ny fananganana toby fanadiovan-tsolika izy ireo. Manantena ity bilaogera ity fa afaka manatsoaka lesona avy amin'ny vahoaka Tiorka, izay nanao diabe ho fanoherana ny Islamista fa tsy ny fandoroana ny fananam-bahoaka ny Iraniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.