Ejypta: Kabarin'i Moubarak Nohorakorahan'ny Vahoaka Tao Amin'ny Kianja Tahrir

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny taona Febroary 2011 ity lahatsoratra  ity)

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana Ejypta 2011.

Niresaka tamin'ny vahoakan ‘i Ejipta i Moubarak sahisahy androany alina, nilaza fa hijanona ho filoha mandra-pahatongan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny Septambra izy, saingy hanolotra ny andraikitry ny filoham-pirenena ho an'ilay filoha lefitra vao notendrena, Omar Sulieman.

Niantsoantso mitaky ny fanonganana an'i Moubarak, nandritra ny kabary ireo mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny 3 tapitrisa teo tao amin'ny Kianja Tahrir, afovoan-tanànan'i Kairo.

Raha vao tapitra ny kabary, nihamafy ny hiaka manohitra an'i Mubarak sy Sulieman, mampiseho mazava fa mitsipaka izay voalaza tamin'ny lahateny ny vahoaka. Anisan'ny hiaka ny hoe: “Handeha ho any an-dapa (lapan'ny filoham-pirenena) izahay, martiora an-tapitrisany izahay no handeha ho any.”

Ity ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter, raha vao tapitra ny lahatenin'i Moubarak:

@tololy: Mubarak delegats presidential responsibilities to VP Omar Suleiman #Egypt #Jan25

@tololy: Manolotra ny andraikitry ny filoha ho an'ny filoha lefitra Omar Suleiman i Moubarak #Egypt #Jan25

@algergawi: Fact that the old man said he's staying till “September” at this speech is proof he put the S in stubborn. #Jan25

@algergawi: Ny filazan'ilay lahy antitra fa hijanona hatramin'ny volana “Septambra” tamin'ny kabary dia porofo fa mafy loha izy. #Jan25

@Elizrael: Tomorrow's protests are going to be HUGE. #Jan25

@Elizrael: Ho HENJANA ny fihetsiketsehana rahampitso

@Sandmonkey: People are leaving in big groups chanting “tomorrow tomorrow” #jan25

@Sandmonkey: Mihataka miaraka amin'ny vondrona marobe ny vahoaka ary mihiaka hoe “rahampitso rahampitso” #jan25

@JustAmira: Protesters call for army intervention and a march to the presidential palace http://yfrog.com/h6t8zfj

@JustAmira: Mpanao fihetsiketsehana miantso ny firotsahan'ny miaramila sy diabe mankany amin'ny lapam-panjakana

@RobaAssi: I cant even IMAGINE how people in #tahrir are feeling. I'm seething with rage all the way in sleepy #amman. #mubarakisanasshole

@RobaAssi: Tsy AZOKO AN-TSAINA akory ny zavatra tsapan'ireo vahoaka ao #tahrir. Anjakan'ny hatezerana aho mandritra ny torimaso #amman. #mubarakisanasshole

@ahmednaguib: I hope he is ready for the millions marching towards his palace. #Jan25 I know I will be among them.

@ahmednaguib: Mino aho fa vonona izy amin'ireo mpanao diabe an-tapitrisany hihazo ny lapa. #Jan25 Ho anisan'izy ireo aho.

@MaLek: هو يمشي – LIVE at http://bambuser.com/v/1404062

@MaLek: هو يمشي – MIVANTANA ao amin'ny http://bambuser.com/v/1404062

@tarawnah: Oh. My. God. Sound of protesters chanting now overtaking sound of #mubarak speech. Can hardly hear him. #jan25 #egypt

@tarawnah: Andriamanitra ô! Feon'ireo mpanao fihetsiketsehana no heno fa tsy ny kabarin'i #mubarak. Zara fa re izy. #jan25 #egypt

@SultanAlQassemi: Protesters in Meydan Tahrir are shouting IMSHI IMSHI IMSHI (Leave leave leave)

@SultanAlQassemi: Miantsoantso hoe IMSHI IMSHI IMSHI (Miala Miala Miala) ireo mpanao fihetsiketsehana ao Meydan Tahrir

@asadabukhalil: This speech will go down in history as the dumbest speech ever delivered by a dictator.

@asadabukhalil: Hiraikitra eo amin'ny tantara toy ny kabary feno hadalana indrindra mbola tsy nataon'ny mpanao didy jadona ity kabary ity.

@LabibaLaith:

بحق لا اله الا الله. “@salmaeldaly: الثوار يهتفون: على القصر رايحيين شهداء بالملايين” #Egypt #Jan25
Ho aminareo anie Allah @salmaeldaly. Mihiaka hoe “Hihazo ny Lapa izahay, handeha ho any amin'ny maha martiora ao anatin'ny an-tapitrisany” ireo revolisionera

@Egyptocracy: #Mubarak referred to himself in the 3rd person again. He did that already in his last speech. #Egypt #Jan25 #Tahrir

@Egyptocracy: Nanondro ny tenany tamin'ny (olona fahatelo “izy”) indray i #Mubarak. Efa nanao izany izy tamin'ny kabariny farany. #Egypt #Jan25 #Tahrir

@hazemzohny: Expect utter governmental collapse. The army and NDP Sec. General just said good news coming. This speech is the opposite #Jan25 #Egypt

@hazemzohny: Mety hisy ny fionganan'ny fanjakana. Vao avy nilaza ny tafika sy ny sekretera jeneralin'ny NDP fa ho avy ny vaovao mahafaly. Mifanohitra izany kabary izany #Jan25 #Egypt

@fasi_zaka: Mubarak to stay interning in Egypt. Starts Grad school in September. #Hosni #mubarak #jan25 #egypt

@fasi_zaka: Manohy ny dingany hifikitra ao Ejypta i Moubarak. Manomboka ny fianarana doktorà amin'ny volana Septambra. #Hosni #mubarak #jan25 #egypt

@twilight2000: State TV suddenly NOT showing the crowds in #Tahrir – no surprise – only AJE is showing them now. ~AJE #jan25

@twilight2000: TSY nampiseho tampoka ireo vahoaka tao #Tahrir ny Fahitalavi-panjakana – tsy mahagaga – ny AJE ihany no mampiseho azy ireo izao. ~AJE #jan25

An-tapitrisany ireo hanao diabe manerana an'i Ejypta rahampitso, Zoma, ary milaza ny  tombatombana fa ho eo amin'ny 20 tapitrisa eo izy ireo.

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana Ejypta 2011

*

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.