· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Jona, 2017

Iran: Polisy Nandaka Vehivavy

Miady amin'ny vehivavy amin'ny lafiny roa fara fahakeliny ny manampahefana Iraniana. Andaniny, nalefa tany am-ponja ary nenjehina ny mpikatroka vehivavy nanao hetsi-panoherana ho amin'ny fitovian-jo. Ankilany, manohy ny famoretana manerana ny firenena ny polisy Iraniana izay mikendry ny hankatoavan'ny vehivavy ny fehezan-dalànan'ny fomba fitafy Islamika ao Iran.

Iran: Fisamborana sy Fandravàna

Nanohy ny politikany momba ny famoretana mihatra amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy sy ny Silamo Sufi ny governemanta Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Nosamborina andro vitsy lasa izay i Maryam Hosseinkhah, mpikatroka ny zon'ny vehivavy sady mpanao gazety, ary noravan'ny mpitandro ny filaminana ny Foiben'ny Silamo Sufi.