Iran: Manome Aingam-panahy Ny Zavakanto Ny Hetsi-panoherana

(Marihina fa tamin'ny 30 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Manohy ny famoronana ny asakanto an-tserasera ny olom-pirenena Iraniana sy tsy Iraniana ho fanohanana ny hetsi-panoheran'ireo Iraniana manohitra ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona [2009] tao Iran.

Tamin'ny herinandro lasa, namoaka ohatra maromaro momba ny fomba ‘nihaonan'ny zavakanto sy ny hetsi-panoherana’ izahay.

Namolavola ny endrika maneho ny firaisan-kina miaraka amin'ny mpanao hetsi-panoherana Iraniana i Tim Raines , mpanakanto Amerikana iray.

free_iran2

Manondro ny fahafatesan'ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana tao anatin'ny tapa-bolana ny famolavolan'i Hamed Pourabedin. Nilaza izy fa vao mainka miha-matanjaka  ny hetsika noho ny famonoana ny mpanao fihetsiketsehana .

8

Nizara ny asakantony tao amin'ny pejy Facebook-ny manokana ilay bilaogera Iraniana Elika Hedayat  :

elika

Mbola avy amin'i  Elika Hedayat ihany ity famolavolana ity. Nalaina avy amin'ny teny fanevan'iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny teny Persiana hoe : “Aza matahotra, miaraka isika rehetra  “

elika21

Nizara ny famolavolana hafakely avy amin'ny namany Patrick i Nikoo :

iran_12

An Iranian artist plays the piano and sings as a tribute to Neda Agha Soltan, a young girl who was shot and killed during a post-election demonstration in Tehran on June 20. This video has been watched by more than 36,900 visitors:

Nisy mpanakanto Iraniana mitendry piano ary mihira ho fanomezam-boninahitra an'i Neda Agha Soltan , tovovavy iray voatifitra ary maty nandritra ny fihetsiketsehana taorian'ny fifidianana tao Tehran tamin'ny 20 Jona. Mpitsidika maherin'ny 36.900 no nijery ity lahatsary ity  :

https://youtube.com/watch?v=nemIWvh_Mqs

Jereo ny pejin'ny Global Voices natokana ho an'ny Fifidianana Iraniana 2009 .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.