Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Iran: Mahatsiaro Ilay Famonoana Faobe Tamin'ny Taona 1988 Ireo Fianakaviana

(Marihina fa tamin'ny 08 Septambra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

poster

Faha-19 taona namonoana ny  gadra politika Iraniana an'arivony izay nalevina tao amin'ny fasana faobe tao Khavaran tamin'ny taona 1988 ny 31 Aogositra. Nitsidika ny fasana misy ny zanany, ny rahalahiny, ny anabaviny izay nalevina tsy nisy anarana na famantarana ireo namana sy havan'ireo niharam-boina.

Tsy niaiky tamin'ny fomba ofisialy izany famonoana izany ny governemanta Iraniana na dia teo aza ny fanerena avy amin'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona tahaka ny HRW Mpanara-maso ny Zon'Olombelona.  Nigadra an-tranomaizina noho ny hetsika ara-politika taorian'ny fitsarana tsy ara-drariny tao amin'ny fitsarana revolisionera ny ankamaroan'ireo novonoina. Tsy mbola voaheloka ho faty anefa izy ireo na izany aza .

Nitsikera izany famonoana faobe izany i Grand Ayatollah Montazeri izay tokony hisolo an'i Grand Ayatollah Khomeini, ilay Mpanorina ny Repoblika Islamika,  ary voalaza fa nahilikiliky ny Repoblika Islamika izy avy eo.

Namoaka sary miisa 30 tamin'ity hetsika ity i Azadi-B:

This album is powered by BubbleShareAdd to my blog

Hoy [Fa] i Kooshtar 67 (midika hoe famonoana ny 67 na 88) hoe 19 taona izay no lasa hatramin'ny namonoana ireo gadra politika tamin'ny fahavaratra 88. Mbola manantena isika fa mety hanome vaovao ny komity mpikaroka ny marina indray andro any, ary hanameloka ireo tompon'andraikitra tamin'ny heloka bevava ny tribonaly malaza.

Nanazava ny zava-nitranga tao amin'ny fonja talohan'ny famonoana i Azarmehr :

Iran's political prisoners were called in to face kangaroo courts of three clerics. The prisoners were asked two questions each, “Do you believe in Allah?”, “Are you prepared to renounce your organisation?”. The prisoners had no idea about the consequences of their replies. In fact a ‘No’ to any of the above questions meant immediate execution. Many of the prisoners had already finished their prison sentences but were still not released, some were even brought back after they had been released.

Nantsoina mba hiatrika ny fitsarana kangaroo tamin'ny alàlan'ny mpitondra fivavahana telo ireo gadra politika tao Iran. Nametrahana fanontaniana roa tsirairay avy ireo gadra hoe “Mino an'i Allah ve ianao ?”, “Moa ve ianao vonona ny hiala amin'ny fikambanana misy anao?”.Tsy nahafantatra izay mety ho vokatry ny valinteniny ireo voafonja. Raha ny marina ny ‘fandavana’ ireo fanontaniana etsy ambony ireo dia midika  famonoana ho faty avy hatrany. Maro tamin'ireo voafonja no efa nahavita ny saziny tany am-ponja kanefa mbola tsy navoaka, nisy mihitsy aza ny sasany no naverina nampidirina am-ponja indray rehefa avy noafahana.

Namoaka sary iray, ary nanoratra [Fa] tononkalo ho fanomezam-boninahitra ireo niharam-boina sy ny havany tamin'ny taona 1988 i Royeh Madareh Zendgi. Hoy ilay bilaogera :

And I know that you are not going to forget
The fate of our brothers
After many years
You will remember in a stormy night
That bloody summer

Ary fantatro fa tsy hanadino izany ianao
Ny nanjo ireo rahalahintsika
Taorian'ny taona maro
No nahatsiarovanao ilay alin'ny tafio-drivotra
Ilay fahavaratra feno fandatsahan-drà

* Sary navoakan'ny Fikambanan'ny Gadra Politika any An-tsesitany ho fahatsiarovana ireo niharam-boina ny sary etsy ambony

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.