Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2024
Nampihotakotaka an'i Suriname ny fanjavonan'i Desi Bouterse rehefa nohelohina izy
Niteraka tsi-finoana, fahatezerana ary tsi-fitokisana ny rafi-pitsarana ny fihodin'ny toe-draharaha nahasanganehana.
Fodiamandrin'ilay Tôgôley pretra katôlika mpanohitra nafàna fo ny fitondràna am-perinasa
Omen'ireo Tôgôley voninahitra ny fahatsiarovana an'i Monseigneur Philippe Kpodzro, pretra katôlika nanolo-tena ho amin'ny fametrahana tany tàn-dalàna demaokratika ao Togo, nodimandry teo amin'ny faha-93 taonany tany an-tsesitany tamin'ny fiandohan'ny 2024
Burundi-Rwanda: miverina indray ny fihenjanana eo amin'ny roa tonta
Miharatsy indray ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’i Burundi sy Rwanda, herintaona taorian’ny fanokafana indray ny sisintany eo amin’ireo firenena roa ao Afrika Atsinanana.
Vitan'ny Filohan'i Indônezia, Jokowi, ve ny hijanona tsy hiandany raha hirotsaka ho filoha lefitra ny zanany lahy?
"Adidy ara-môraly ananantsika ny mampahatsiahy azy hipetraka tsy hiandàny ao anaty fifidianana ary tsy hitsitsy ny tantara hitsara azy amin'ny fanelingelenana ny dingana demaokratika"
Valibontan'ny Britanika mpanao gazety Myriam Francois manoloana ny fandarohana baomba ny Houthi sy ny adin'ny Ranomasina Mena
Nanakiana mafy ny hevitra “adala” nandaroka baomba ny Houthis tokony ho natao alohaloha kokoa noho ny antony ara-toekarena tao amin'ny fandaharan'ny Sky News i Myriam Francois, britanika malaza mpanao gazety sady mpanangona tahirin-kevitra.
Tondra-drano any Brezila, nanjary adihevitra nasionaly ny fanavakavahana ara-tontolo iainana
Niteraka fahafatesan'olona 12 sy faharavana tamin'ny volana Janoary ny tondra-drano sy ny oram-be tany amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Taorian'ny nanamarihan'ny minisitry ny fitoviana ara-poko Anielle Franco ny fanavakavahana ara-tontolo iainana, dia niteraka adihevitra nasionaly io teny io.
Tiorka mpanamory sambon-danitra voalohany nisidina an'habakabaka
Amin'ny fotoana izay andiavan'ny firenena ny krizin'ny vidim-piainana, ny fiakaran'ny vidin'entana sy ny fitotonganan'ny volan'ny firenena, dia nampametra-panontaniana ireo sasany ny amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta handefa an'i Gezeravci ho eny an'habakabaka.
Nentanina hamaha ny olan'ny zon'olombelona ireo Indoneziana kandidà ho filoham-pirenena
"Mbola tsy mahavita miantoka ny zon'ny olona haneho ny heviny am-pilaminana ao anatin'ny tontolom-piarahamonina mihatery i Indonezia."
Afaka mifaninana sy miroborobo ao Ghana tokoa ve ny antoko politika fahatelo?
Voarakitra ao anaty lalàm-panorenan'i Ghana ny rafitra misy antoko maro, araka ny lalàna 574 mikasika an'ireo Antoko Politika, voapetraka tamin'ny taona 2000. Na izany aza, anjakan'ireo antoko roa lehibe ny sehatra politika dia : ny Kongresy Nasionaly Demokratika sy ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao.
Lehilahy nogadraina telo volana noho ny akanjony misy teny faneva fanoherana
Lehilahy iray avy any Hong Kong no nosamborina teo akaikin'ny vavahady fiondranana amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Hong Kong tamin'ny volana Novambra lasa teo taorian'ny nahitana azy nanao t-shirt misy teny filamatra fanoherana.