· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2010

Iran: Miorina ny Cyber-tafika Islamika

  21 Febroary 2010

Matetika ny aterineto no lazaina ho sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra amim-pilaminana, saingy rehefa any Iran kosa, nivadika ho lasa karazana “ady an-tserasera” ny fifandirana ara-politika hany ka izay hary fitaovana matanjaka any dia mampangina ny fahalalaham-pitenenana. Indreto tononina etsy ambany ny paikady telo – nahomby na nandamòka – izay antsoinay...

Kroasia: Filoha vaovao – lalana vaovao

  21 Febroary 2010

Nandray ny fahefana amin'ny mahafiloha fahatelo, misolo ny filoha teo aloha Stjepan Mesić nahavita ny fe-potoana fiasany indroa misesy, ny zoma tamin'ny herinandro lasa teo Atoa Ivo Josipović. Namoaka lahatsoratra lavalava mandrakitra ny famantarana ivelany entin'ny filoha vaovao sy ny karazan-tsakana atrehin’ i Kroasia ny BBC mba hahatafiditra azy ho...

Afrika: velona sy salama tsara ny fanjanahantany 50 taona taorian'ny nahazoana ny fahaleovantena

  19 Febroary 2010

Manamarika ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenan'ny firenena Afrikana miteny frantsay avy tamin'i Frantsa sy i Belzika ny taona 2010.  Raha efa ilalana moa ny fankalazana ofisialy amin'izany dia eo ampangaroharoana adihevitra ihany koa ny bolongana any Afrika avaratra, afovoany ary atsinanana. Bolongana Maraokana, Planète Non Violence, no mampifandray ny nitranga nandritra ny...

My name is Khan – Politikan-kolontsaina any India

  17 Febroary 2010

Sarin'afisy hita ao amin'ny Wikipedia Tsy miresaka momba ilay sarimihetsika avoakan'i Bollywood hoe ‘My Name is Khan‘ [Khan no anarako], fa miresaka ny fahazoana azy kosa any India sy any Etazonia sy ny anton'izany. Ny topimaso ao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny bolongana miteny Hindi no ahitana fa misy zavamisy...

Iran: Feon-kira Maitso hanohanana ny Hetsika Fanoherana

  03 Febroary 2010

Feon-kira iray ho an'ny finday izay mampirisika ireo tanora Iraniana handeha any amin'ny vava ady sy hitolona nandritra ny ady teo amin'ny Iran sy Iraka tamin'ny 1980 dia miverina indray ankehitriny ho firaisan-kina amin'ny fanoherana. Mitantara ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy momba io hira 'Ey Iran' io i Hamid Tehrani.

Iran: Mpitoraka blaogy roa ahiana hovonoina ho faty

  02 Febroary 2010

Any ambadiky ny "barreaux" noho ny fanamelohana mavesatra ireo mpitoraka blaogy Iraniana roa, izay mpiaro koa ny zon'olombelona. Mehrdad Rahimi sy Kouhyar Goudarzi dia voaheloka ho niantsy “ady tamin'Andriamanitra,” ary voatondro ho “Mohareb” (fahavalon'Andriamanitra). Mitovy ny nanamelohana ireo lehilahy roa novonoina tany Tehran tamin'ity herinandro ity ny nanamelohana azy ireo.