Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2009
Afganistana: Androm-pifidianana an-tsary
Amin'izao fifidianana faharoa ho an'ny firenena izao, ireo mpitoraka blaogy an-tsary dia nizara sarin'ireo fifidianana mampiseho ny fisian'ny miaramila sy ny fahavitrihan'ny mpifidy.
Iraka: Fahafatesan'i Abdul Aziz Al Hakim lehiben'ireo Shi'ite
Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, lehiben'ny filankevitra ambony Islamika any Iran (ny antoko politika lehibe indrindra ao amin’ny antenimieram-pirenena Irakiana), dia matin’ny homamiadan’ny havokavoka tamin’ny 26 Aogositra tany Tehran, any Iran. Mety hisy fihatraikany amin’ny lafiny politika any Iran ny fahafatesany. Nihetsika tamin’ity vaovao ity ireo mpitoraka blaogy.
Brezila: Mpianatra nosamborina nohon'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Antenimieran-doholona
Mpianatra maro no nanao fanehoan-kevitra fanoherana ny Filohan'ny Antenimieran-doholona José Sarney ary dia niaritra famoretana maro samihafa. Ren-tsika miala aina miadana miaraka amin'izany koa ny eritreritr'ireo tontolon'ny fitorahana blaogy momba ny demokrasia Breziliana.
Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana
Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana....
Afghanistan : Androm-pifidianana
Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka...
Brezila: Hetsika [Manifeste] miantso tolona ho fanodinana bebe kokoa ny fako elektronika
Any Brezila, misy lalàna momba ny fitantanana ny fako mivongana novàna mba hanalàna ny fako elektronika. Ny dingana voalohany hiadiana amin'izany fanovàna izany dia ny famoronana ny Hetsika ho an'ny Fako Elektronika mba hanangonana ny fanohànan'ireo mpikirakira ny aterineto ho fanodinana bebe kokoa ireo vokatra elektronika.
Repoblika Dominikana: Ho voavaha ve ny olan'ny delestazy?
Isaky ny faha-16 Aogositra any amin'ny Repoblika Dominikana, dia fahazaran'ny governemanta amin'io daty io satria feno indray ny taona niasany, ny fanoloan'ny filoha Leonel Fernández ny mpikambana sasantsasany ao amin'ny...
Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!
Medaily volamena Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka sy nahavalalanina no...
Kioba: Ny Maleconazo
Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo
Indonezia: Mipatitaka ny fampihorohoroana
Nibahan-toerana tamin'ny televiziona Indoneziana ny fifampitifirana teo amin'ny vondrona Densus 88 miady amin'ny mpampihorohoro, ny polisy andaniny ary ny ankilany kosa dia ny vondron'olona heverina fa tarik'i Noordin Mohammed Top...