Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2022
Zeorzia: Mpanao gazety ela nihetezana voaheloka higadra 3,5 taona
Tamin'ny taona 2020 i Gvaramia no voampanga voalohany noho ny fanararaotam-pahefana, ny kolikoly ara-barotra, ny fisolokiana antontan-taratasy ary ny fanodinkodinana fananana tao amin'ny Rustavi 2. Tsy meloka izy tamin'ireo fiampangana miisa telo farany ireo.
Ny sainin'ireo Shinoa any ivelany momba ny honohono ho fialàn'i Xi Linping
Niely nanerana ireo tambajotra sôsialy nandritra ny tapabolana lasa teo ny honohono momba ny fametraham-pialàn'ny filoha shinoa Xi Jinping, ary niteraka tombantombana maro teny anivon'ireo Shinoa mpanohitra mipetraka any ivelany.
Miteraka ady hevitra ara-pitsarana ny fanentanana ara-politika ataon'ireo minisitra Nizeriana
Miraikitra ao anatin'ny folihala ara-pitsarana amin'ny lalàm-pifidianana izay mametra ny fametraham-pialana tsy misy hatak'andro sy ny lalàmpanorenana milaza fa afaka miandry ireo minisitry ny kabinetra Nizeriana mirotsaka hofidiana.
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.
Nivarina avy amin'ny “Mahafa-po” nankany amin'ny ‘Manahirana’ ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Hong Kong tao anatin'ny taona vitsivitsy
Nidina ambany ny laharan'i Hong Kong noho ny fampiharana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena sy ny fanenjehana ireo mpanao gazety.
Nahoana no mbola tsy nataon'i Jamaika ho maherifom-pirenena foana i Bob Marley ?
Ny fitaoman'i Marley ho amin'ny fahatongavan-tsainan'ireo Mainty, ny "fikatrohany an-tononkira", ny fanehoany ny reggae sy ny rastafari, ary koa filôzôfiany "One Love", no voatanisa tao anatin'ny fikasàna tokony hanaovana azy ho maherifom-pirenena
Pakistàna: Very toerana 12 tao anatin'ny Fandaharana Erantany 2022 momba ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Tatitra iray avy amin'ny fikambanana pakistaney mpiaro zo "Freedom Network" no nampahafantatra fa iharan'ny herisetra, fanenjehana ara-pitsaràna, fakàna an-kery, fitazonana am-ponja ary fandrahonana ireo mpanao gazety any an-toerana, indrindra fa avy amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny fitondrana.
Filipina: Mipoaka ny hetsipanoherana, Mitarika kosa amin'ny fanisàna vatom-pifidianana izay ho filohampirenena ny zanak'ilay mpanao jadona tany aloha
"Sarotra ho an'ireo mpifidy ny hanana fitokiana amin'ireo dingam-pifidianana feno tsy fetezana sy fahasimbana milina"
Nifamahofaho ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety tao Karaiba
'Miha-mampidi-doza hatrany ny tontolo iasan'ireo mpanao gazety ao Karaiba'
Mpanoratra Malayziana iray miatrika fanadihadiana noho ny fanevatevana tao amin'ny ranty Facebook
"Manasongadina ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Malezia momba ny olana toy ny fivavahana ny fisamborana an'i Uthaya Sankar SB noho ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy."