Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2019
Nahazo aingam-panahy tamin'ny lalan'i Baltika 1989, nanao ny rojon'olombelona ny mpanao fihetsiketsehan'i Hong Kong hitakiana ny fahafahana sy ny demaokrasia
"Nanavatsava fotoana sy toerana ny fahazavan'ny fahafahana. Tena mamirapiratra. #StandwithHongKong #BalticWay [Miaramijoro amin'i Hong Kong, Lalan'i Baltika]"
Ireo ankizy tsy manana taratasy ara-dalàna ao Iran
"Hita amin'ny tantaran'ny Repoblika Islamika ny fanavakavaham-poko sy ny antokom-pinoana vitsy an'isa ka toa niniana natao ny tsy fisian'ny fotodrafitrasa, ny tsy firaharahiana ara-toekarena ary ny halalin'ny fahantrana..."
Ny hetsi-panoherana ao Hong Kong imason'ny Filipiana iray mifindramonina hiasa
Miantraika tahaka ny ahoana ireny fivoriana ireny amin'ny fiainan'ny mpiasa nifindramonina? Inona ny eritreritry ry zareo momba ny fihetsiketseham-panoherana?
Tsy nahomby taorian'ny valifatin'i doxxing ny fikasan'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina izay nikendry ny hanenjika ireo mpanao fihetsiketsehana tany Hong Kong
Vetivety dia nanajanona ny tetikasan'izy ireo ny hitsongo dia ireo mpanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanolorana olomeloka tao Hong Kong ireo mpikambana tao amin'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina, taorian'ny nanabaribariana tao amin'ny Aterineto ny mombamomba azy manokana, izay ahitana ny laharan'ny karapanondro sy ny toebolan-dry zareo any amin'ny banky.
Niteraka adihevitra momba ny fanehoan-kevitra malalaka ny fanamelohana ilay mpanentana amin'ny tambajotra sosialy Tiorka
Miatrika fiampangana ny olo-malaza Tiorka iray ao amin'ny Twitter noho ny fandrisihana ny fandraisana zava-mahadomelina ary niteraka adihevitra momba ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera.
Andiana lahatsary fanadihadiana maro manasongadina ny ady atrehan'ireo vehivavy mpikatroka any Vietnam
"Ao anatin'ny fitondrana jadona iray, tsy misy manana fahalalahana, indrindra fa ny vehivavy, ambony be raha oharina amin'ny lehilahy ny tsy fahampian'ny fahalalahan'izy ireo."










