Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2017
Zoma 20 Janoary ao Rosia: Fety Hataon-dry Zareo Hanandratana an'i Amerika ho Goavana Indray

Misy ny fanasàna naely tamin'ny media sosialy tamin'iny herinandro iny, nampahafantatra ireo mpanao gazety ny momba ireo fety karakarain'ny andianà mpanakanto “White Star”, izay ahitàna endrika malaza maro avy amin'ny hetsiky ny tanora mpomba an'i Kremlin.
Ny Fahasarotan'ny Fananganana Fiarahana Hanohitra an'i Trump Amin'ny Fomba Mivelatra Sy Andraisan'ny Vehivavy Anjara
"Ry rahalahy sy ranabavy, raha te-hahazo antoka ianareo fa hoe mizotra amin'ny làlana tsara, ireo vehivavy hafa volonkoditra arahana."
Latsa-bato Mihoatra Ny Iray Dia Afaka Mandràra ny Fanambadian'ny Ankizy i Trinidad sy Tobago
Tsy ho ara-dalàna intsony ao Trinidad sy Tobago ny fanambadian'ny ankizy atsy ho atsy. Lany ny volavolan-dalàna momba ny fehezan-dalànan'ny mariazy, izay nampahafantarin'ny mpampanoa lalàna ao Trinidad sy-Tobago tao amin'ny antenimieran-doholona ao amin'ny firenena, folo andro lasa izay
Nanolotra Ny Lehiben'ny Zava-mahadomelina ho ‘Fanomezana Fanaovam-beloma Farany’ an'i Obama i Meksika
Nalaza tao Meksika ny Fampodiana ilay mpanao heoka bevava "El Chapo" Guzman ho any Etazonia , izay nolazaina fa "fanomezana fanaovam-beloma farany" ho an'i Barack Obama.
Nahemotra Ho Amin'ity Taona 2017 Ity Ny Fifanarahana Momba Ny Olan'i Sipra
Tamin'ny 20 Novambra, nihaona fanindroany tao amin'ny Mont-Pelerin, Soisa ny Filoha Sipra Nicos Anastasiades sy ny mpitarika Syprioty Tiorka Mustafa Akinci, mba hiverina indray hanohy ny fifampiresahana momba ny olan'i Sipra. Nifarana tsy nisy fifanarahana ny fifampiresahana, izay naharitra roa andro, ary niafara tamin'ny fifanomezan-tsiny teo amin'ny andaniny sy ny ankilany.
Ny Fanehoan-kevitr'i Afrika Mpiteny Paortigey Manoloana ny Fahafatesan'i Mário Soares
Ho entinay ato amin'ity lahatsoratra ity ireo fanehoan-kevitra momba ny fomba fijerin'ny olona sasany ny fahafatesany any amin'ny firenena PALOP amin'ny sehatra isan-karazany.
Matahotra Ny Mety Ho Fanakatonana Ny Aterineto Mandritra Ny Fifidianana Filoham-pirenena 2017 Ireo Keniana

Tsy firenena voalohany ao Afrika amin'ny fanakatonana ny Aterinetony mandritra ny fifidianana i Kenya - efa lasa lavitra momba izany i Ogandà sy i Gambia .
Vohitra iray ao Alep,Siria, Lasa Fenitra Vaovao Ny Daroka Balafomanga

Fony lasibatry ny tifitra balafomanga nataon'ny tafika siriana ny vohitra nonenany tao Alep, gaga ilay bilaogera sady mpikatroka, Marcell Shehwaro, saingy tsy tena izany loatra, tamin'ny hafainganan'ny fiverenan'ny fiainan'ny olona ho toy ny "isanandro".
Lavin'i Rosia Ny Fanangonambola Ataon'ny Isam-batanolona Hanohanana Politika

Nakaton'ilay dika mitovy amin'ny PayPal ao Rosia ny famindràna vola ataon'olontsotra ho an'ny resaka politika—fanapahankevitra iray hanimba ny mpirotsaka ho filohampirenena hifaninana amin'i Putin amin'ny 2018.
Zanaka Lahin'ny Filoha Tajik, 29 Taona, Lasa Ben'ny Tanànan'ny Renivohitra
"Jeneraly 29 taona, mpiady amin'ny kolikoly, [Rustam Emomali] vao lasa ben'ny tanànan'i Dushanbe. Ary inona no mba vitanao?"