Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2019
Jordania: Manasazy filohan'ny klioba baolina kitra mpanakiana
Nipoitra ny tolakandron'ny tolakandron'ny 23 Desambra ny tatitra fa voampanga ho nanafika sy nanevateva ny manamboninahitra zandary iray i Tareq Sami Khoury ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina.
Lalam-pahafahana sarotra nodiavin'ny Syriana iray
Sambany izahay nandritra ny taona maromaro nahita làlana tsy simban'ny balafomanga, sisin-dalana tsy misavovon'ny fako ary ny rindrina tsy voakitiky ny ady
Filipina: Nolavin'ny sampana misahana ny fifidianana ny firotsahan'ny vondrona LGBT hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana
Ho fampiroboroboana ny fifandraisan'ny mitovy taovam-pananahana izay mifanohitra amin'ny finoana ara-pivavahana, nolavin'ny Commission on Elections-Vaomieran'ny Fifidianana (Comelec) ny fangatahan'ny vondrona pelaka Ang Ladlad ho ankatoavina ho antoko afaka mirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010.
Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana
Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.
Jordania: Fanehoan-kevitra amin'ny fananganana governemanta vaovao
Taorian'ny fifidianana parlemantera tamin'ny 9 Novambra tao Jordania, nankatoavin'i Mpanjaka Abdulla ny governemanta vaovaon'ny praiminitra Samir Rifai tamin'ny Alarobia 24 Novambra. Feno fanehoan-kevitra ny Twitter, izay maro no nankasitraka ny fanendrena.
Jordania: Mpanao sariitatra politika mamazivazy ireo afisim-pifidianana
Manohy mifantoka amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny 9 Novambra ny lahatsoratr'ireo mpanoratra Jordaniana ao amin'ny media sosialy, ka mitodika amin'ireo afisim-pifidianana manerana ny firenena, ary indrindra indrindra ao an-drenivohitra Amman. Mpisera Twitter iray, Mayousef, namazivazy ny 25 Oktobra,