Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2024
Manazava ny firotsahan'i Zeorzia ho anatin'ny Vondrona Eorôpeana ny Vaomiera Eorôpeana
Tamin'ny 8 Novambra, nanoro hevitra ny Vaomiera Eorôpeana ny mba hanomezan'ny Vondrona Eoropeana an'i Zeorzia ny sata maha-kandidà ho afaka fidiana, izay manokatra làlana ihany koa ho an'ny vondrona mba hanombohana ny fizotran'ny fidiran'ilay firenena.
‘Taiwanais aho izao’: Mankamamy ny zony mahazo mifidy ireo nifindra avy any Hong Kong nankao amin'ilay Nosy demaokratika
Teratany iray avy any Hong-Kong nifindra monina nankao Taiwan taorian'ilay fihetsiketsehana tamin'ny 2019 tao Shina nanoherana ny fampodiana olona nohelohina, no nanambara hoe "Taiwanais aho izao ary antenaiko fa hihatsara i Taiwan - na dia tsy namafa ny maha-teratany avy anty Hong Kong aza aho"
Mariky ny rariny tamin'ny lasa misamboaravoara tao Suriname ve ny didim-pitsarana an'i Bouterse?
Niteraka fanontaniana momba ny maha-firenena ny fanamelohana an'i Bouterse tamin'ny 20 Desambra 2023. Maneho ny tolona nataon'i Suriname tamin'ny fanjanahantany Holandey taloha sy ny fikatsahany ho avy mampifandanja ny rariny amin'ny fampihavanana ireo fanehoan-kevitra mifanipaka.
Ny adin'ny praiminisitr'i Nouvelle Zelande amin'ny media
"Tsy tian'izy ireo manokana ny fampahalalam-baovao mitady valiny ary tsy tiany kokoa ny araha-maso akaiky rehefa ao amin'ny biraom-panjakana."
Soavaly atakalo fiara — angano iray amin'ny diplaomasia maoderina misy eo amin'i Torkia sy Hongria
Manana zavatra iraisina mihoatra noho ny fitiavany herin-tsoavaly ireto mpitarika roa ireto. Samy manohitra mahery vaika amin'ny fidiran'i Soeda ho ao amin'ny OTAN ary samy manana fironana tsirefesimandidy.
Ao RDC, nampangain'ny mpanohitra ho feno hosoka ny fahalanian'i Félix Tshisekedi ho filoha indray
Voafidy ho filoham-pirenena fanindroany ao amin'ny RDC i Félix Tshisekedi saingy manohitra ny voka-pifidianana ny mpanohitra taorian'ny fanitsakitsahana maro ny zotram-pifidianana.
Ireo mpitolona sisampaty tamin'ilay rotaka tamin'ny 1959, mbola adino tanteraka tsy anaty tantaran'ny fahaleovantenan'i RDC
Fanadihadiana iray manoritra ampahany iray adino tamin'ny tantaran'ny fahaleovantenan'i RDC: ny tantaran'ireo mpitolona sisampaty tamin'ilay rotaka tamin'ny Janoary 1959.
Mikiry hatrany ireo mpanao adisisika ho an'ny zon'ireo mpiasa mpila ravinahitra na eo aza ny fandrahonana ataon'ireo manampahefana ao Thailandy sy Kambôdza
"Hoy aho, azonareo bahanana ny pasipaoroko raha heverinareo fa tena manao zavatra tsy mety aho. Tsy matahotra aho."
Fandaharana iray hafa anaty fahitalavitra ao Tiorkia tafiditra anaty raharaha mivaivay
Anaty firenena iray izay tena misara-bazana lalina ireo olompirenena laika sy ireo mpino silamo ao aminy, nanafintohina ilay seho. Fanontaniana mipetraka, amin'ity indray mitoraka ity, ny hoe mety hitondra fiovàna sa tsia eo anivona fiarahamonina midadasika ny seho iray
Anaty rindrina efatra: Feom-pandriampahalemana ao Azerbaijan voafafa
Loa-bava kely monja dia efa izakàna sandany mihoa-pampana, eo amin'ny fahafoizan-tena manokana sy eo amin'ny tsindry tsy mitsahatra atrehan-dry zareo.