Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2019
Efa antitra, kabarim-pankahalana, fahalalahan'ny gazety: lohahevitra goavana resahana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2019 ao Nizeria
Hanatontosa fifidianana ho filoham-pirenena i Nizeria amin'ny 16 Febroary 2019, ary mitodika amin'izany fifidianana izany ny maso rehetra amin'ny maha-fisedrana hanaporofoana ny tanjaky ny demokrasia, ny fenitra, ny soatoavina sy ny firaisankina ao Nizeria.
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Fantaro ireo kandidà ho filoham-pirenen'i Nizeria amin'ity taona 2019 ity
Miainga ny hazakazaka hahazoana an'i Aso Rock — toerana misy ny prezidansa ao Nizeria. Fantaro ny kandidà ho filoham-pirenena 2019.
Mahatezitra ireo Malaoita ny Hevitry ny Bilaogera Iray momba ny “Nsima”
Niteraka adihevitra momba ny halehiben'ny fahafahana mety hananan'ny olona amin'ny fanehoany hevitra anaty bilaogy ny lahatsoratra iray momba ny "nsima", foto-tsakafon'i Malawi. Nasehon'ireo fanehoankevitra sasany fa ilaina ihany ny famerana ny tena, ny fandraisana andraikitra ary ny fahatsapan-tena, indrindra raha manoratra momba an-javatra iray raisin'ny hafa ho sarobidy aminy ianao.
RDC: Media Tandrefana, Vahiny Mpitsabatsabaka ary Fifidianana
Marobe ireo bilaogera no nalahelo noho ny fitsabahana'ireo vahiny sy ireo firenena manodidina hafa miara-miasa amin'ny tetezamita, izay hitan'izy ireo ho mafy tanana amin'ny fizotran'ny fifidianana.
Taonan'ny tolona ara-politika sy fanehoana firaisankina tsy nampoizina tao Amerika Latina
Fifidianana, fifindramonina, fanohanan'ny fiarahamonina sy ny tolona ara-tsosialy. Fanamby atrehin'ny Amerika Latina sy ny vahoakany.
Hetsipanoherana manameloka ny fanemorana indray ny fifidianana ao Thailand
Nitodika any amin'ny Tiwtter ireo mpianatra Thai ary ireo mpikatroka kosa nikarakara hetsipanoherana taorian'ny fanambaràna nataon'ny governemanta tohanan'ny tafika fa hoe hisy fanemorana hafa indray ny fifidianana.
Dimampolo taona taorian'ny hetsik'izy ireo tamin'ny 1968, tohizan'ireo Meksikàna mpianatra ny dian'izy ireo anoherana ny herisetra sy ny tsimatimanota
"Zafikelin'ny 68 izahay". [...]misy andro, herinandro, volana izay afaka mahafehy taona marobe [...]
Nataon'i Trump nanafin-tava tamin'ny tanany avokoa ny tao Afghanistan tamin'ny fananiham-bohitry ny Sovietika tamin'ny taona 1979
"Tafajabaka ao anatiny isika. Fiafaran'ny tantara."
‘Na dia nandao antsika aza izy dia namela lesona ho antsika': Tohina noho ny fahafatesan'ilay mpiaro ny zon'olombelona tsy misy tahotra i Tajikistan
"Tsy nangina izy rehefa misy olona tsy sahy miatrika ny zava-misy. Nanao vivery ny ainy isan'andro izy ary nahafantatra ny hasarobidin'izany. "