· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2018

Kamerona: Fanehoankevitra Tamin'ilay Fifidianana An'i Obama

  31 Mey 2018

"4 taona lasa izay, tsy fantatr'izao tontolo izao i Obama, nandrasa ny anarany tamin'ireo mpanao gazety, ankehitriny lasa filohan'ny firenena matanjaka indrindra erantany izy. Ity fifidianana ity, ity fiakarana haingana dia haingana ity dia manaitra antsika zanak'i Afrika, satria na eo aza ny fijaliana sy ny tsy fananana asa iainantsika, mila mitazona ity ''fahasahiana manantena'' ity toa an'i Barack isika.''

Serbia: Etazonia An'i Barack Obama, Zava-baovao Iray Ho An'izao Tontolo Izao?

  31 Mey 2018

Barack Obama no filoham-pirenena vaovao ao Etazonia. Heveriko fa tsy mety hisy zava-baovao ho an'i Serbia izany (na inona na inona, mivantana be) satria tsy hiova ny politika amerikana mikasika an'i Serbia sy Kosovo. Na izany aza, raha toa tena manaja ireo fampanantenany tamin'ireo fifidianana ny filoham-pirenena vaovao dia tokony hihatsara ny toe-draharaha eran'izao tontolo izao, na ho kely monja aza, ary noho izany ho an'i Serbia koa fa tsy mivantana.