
Sary nasongadina ‘Bouta Niet Iedereen Ziet Hem Hetzelfde,’ avy amin'i Tjebbe van Tijen via Wikimedia Commons, nampiasaina araka ny Creative Commons Attribution 2.0 license.
Nanjavona tao anaty fihodin-trangan-javatra mampihetsi-po, i Desi Bouterse, ilay mpitarika Suriname teo aloha 78 taona voaheloka [mg] tamin'ny raharaham-pitsarana manan-tantara [mg] naharitra 16 taona mikasika ny famonoana [mg] mpanohitra ara-politika miisa 15 tamin'ny taona 1982. Taorian'ny didim-pitsarana tamin'ny 20 Desambra 2023 — izay nanamarika ny fiafaran'ny fahafahan'ny ekipany ara-pitsarana mampakatra ny raharaha — tsy nanaiky hitolo-batana i Bouterse hanombohana ny saziny an-tranomaizina. Efa eo am-pikarohana ny toerana misy azy ny manam-pahefana amin'izao fotoana izao.
Mandritra izany fotoana izany, nanatona ny fonja hametrahana azy, araka ny toromarika, ireo telo lahy niara-voaheloka tamin'i Bouterse, hany ka nahatohina ny mponina, na tao Suriname na tany ampielezana, indrindra fa any Hôlandy, izay maro mponina Suriname fiaviana, ny fanapahan-kevitry ny filoha teo aloha handositra. Hatramin'izao fotoana, maro ireo tsy nino, ireo tezitra ary miahiahy.
Hita ho very hevitra i Danesh, 28 taona Suriname mpiasa sosialy izay manatontosa fifanakalozana arakasa any Holandy amin'izao fotoana izao, rehefa nahare ny vaovao: “Iza no hanatona an-tsitrapo ny fonja hosaziana 20 taona? Tsy ho ilay lehilahy tsy sasatry ny nampakatra ny raharaha hatrany. Tokony ho nosamborin'izy ireo fotsiny izy ary natao azo antoka fa tsy afa-nandositra.”
Eny tokoa, maro no mieritreritra hoe nahoana no tsy napetraka ny fepetram-piarovana tsara kokoa ho an'ny olona iray izay mety hampidi-doza amin'ny sidina. Nanaiky i Johan, 63 taona, mpanolotra fandaharana amin'ny onjam-peo teo aloha tao amin'ny fantsona Karaibeana iray, fa “nantenaina” ity fivoarana farany ity, saingy nilaza izy fa mbola mino ny fandresen'ny rariny amin'ny farany: “Nasehon'i Suriname fa tsy hihemotra izy ireo manoloana ny mpamono olona, na dia tsy maintsy haharitra 16 taona aza izany.”
Manana fomba fijery hafa anefa i Sheila, 51 taona, mpiasam-pitantanana, : “Heveriko fa nanantena izy ireo fa handositra izy. Efa ela i Suriname no nisara-kevitra noho i Bouterse sy ireo vono olona. Nisy ny rariny taty am-parany ho an'ny olona lasa sady, tsy hisy rà vaovao hilatsaka avy amin'ireo olona te hanala azy any am-ponja. Tsy ampy ve?
Izay fomba fijeriny izay no mety hanampy fanazavana amin'ny anton'ny fanjavonana “mora” an'ilay lehilahy iray niezaka nandositra ny fitsarana efa ho roapolo taona izao.
Rehefa niely ny vaovao fa nanjavona i Bouterse, dia nisy andiana mpianatra teny an-dalamben'i La Haye — tanàna iray ahitana taranaka suriname am-pielezana be indrindra any Holandy — nanesoeso ny vadiny, Ingrid Bouterse-Waldring, izay nanitrikitrika fa tsy mahalala izay misy azy, ary nanambara hoe: “Tsy higadra izy!”
Efa nomelohina tamin'ny vono olona i Bouterse tamin'ny Desambra 2019 sy tamin'ny taona 2021 koa, saingy nampiakatra ny raharaham-pitsarana tamin'ireo didy roa ireo, ary nilaza tamin'ny marsa 2007 fa na dia mety ho nitana andraikitra ara-politika aza izy, dia tsy teo tamin'ny fotoana nisian'ny famonoana olona.
Raha misy mihevitra ny fanjavonan'i Bouterse ho toy ny fandosirana ny rariny, ny hafa kosa — indrindra ireo izay nahita azy ho mpitarika nampiray firenena nisara-bazana — mahita izany ho mariky ny fihantsiana ny rafi-pitsarana lasa misy ambadika politika. Niezaka nangataka famotsoran-keloka indray maka ny mpisolovava azy, saingy nosakanan’ny fitsarana Suriname haingana izy ireo.
Ho fanoherana ny fanamelohana, nanambara ny Antoko Nasionaly Demokratika fa tsy hanaisotra ny toeran'i Bouterse eo amin'ny latabatra, hitazona azy ho filohan'ny antoko.
Tsy vitan'ny hoe manasarotra ny lalana mankany amin'ny fampihavanana sy fanasitranana ihany ny fikoropahan'ny governemanta mitady an'i Bouterse, fa manasongadina ihany koa ny toetra marefon'ny demaokrasia ao Suriname sy ny fanamby atrehiny amin'ny fitandroana ny fanjakana tan-dalàna.
Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, niteraka fisalasalana amin'ny fanoloran-tenan'i Suriname amin'ny tamberin'andraikitra sy ny mangarahara ny zava-nitranga. Hahazoana mijery ny toe-draharaha, na izany aza, nanaovan'ny The Guardian fampitahana tamin-dry Boris Johnson, Liz Truss, ary Donald Trump, tsy lazaina intsony ny ady mitohy any Okraina sy Afovoany Atsinanana ny faharesen'i Bouterse.
Raha eo am-piandrasana vaovao bebe kokoa ny firenena, handiso fanantenana toy ny fikatsahana ny rariny naharitra 16 taona ny tsy fahazoana antoka ny amin’izay ho tohin'ny raharaha.