· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2009

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

  31 Mey 2009

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.

  30 Mey 2009

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka...

Afrika: Firenena maro no tsy mahatsiaro ny Andron'i Afrika

  28 Mey 2009

Ny Andron'i Afrika dia fahatsiarovana isan-taona ny 25 may 1963 izay vanin'andro nijoroan'ny Firaisam-be Afrikaan na ny OUA tany Etiopia. Hetsika maro no nankalazana azy ity tany amin'ny faritra samihafa eran-tany. Nahatsiaro izany vanin'andro izany koa ny mpitoraka bilaogy sy ny mpiserasera twitter ka manoratra mamelabelatra momba ity Andron'i Afrika...

Iran: ex-mpiambina revolisionera mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mampiasa aterineto kely

  21 Mey 2009

Anisan'ny efatra tsara vintana nofantenan'ny filan-kevitry ny mpiambina revolisionera any Iran ny mpitarika revolisionera tany Iran teo aloha Mohsen Rezai hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 12 jona ho avy izao. Maivana ny fampielezankevitra an-tseraseran'i Rezai mitaha amin'ny an'ireo telo hafa mifaninana aminy, saingy vitany lisitra ao amin'ny vohikalany fanaovany propagandy ny anaran'ireo mpamaham-bolongana manohana azy.

Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana

  21 Mey 2009

Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no fanombohan'ny fiverenana...

Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!

  18 Mey 2009

Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy: I understand Hong Kong people’s...

Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena

  17 Mey 2009

Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi. Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny “fampielezan-kevitra 88″ ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i...

Fifidianana Karana Indiana 09 : Niray safidy hanamafy ny fahamarinan-toerana

  16 Mey 2009

Ity lahatsoratra ity dia tafiditra ao amin'ny Fitantarana manokan'ny Global Voices ny fifidianan'ny Karana Indiana 2009 Tonga avokoa ny valim-pifidianana avy any amin'ny vazantany efatra any India ary dia mazava fa nisafidy mazava ny governemantan'ny hery afovoany marintoerana, eo ambany fitarihan'ny UPA ao amin'ny Kongresy ity firenena ity. Ho fanindroany...