Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2023
Milaza ireo mpikatroka feminista any Azerbaïdjan fa tsy fotoana fankalaza izao
Farafahakeliny mpikatroka politika folo no nandao ny tranon'ny masoivoho taorian'ny fanesorana ireo mpikatroka feminista sy an'i Hasanli.
Nisy fivoarana ihany ve nony farany? Armenia sy Azerbaijan manome vintana hafa indray hisian'ny fandriampahalemana
Nifanaiky hiverina hifampiresaka ny mpitarika roa tonta ary hijery ny famaritana sisintany, ny fanokafana indray ny fitaterana sy ny fifandraisana ara-toekarena ary ny famotsorana gadra
Voamariky ny fanagadrana sy herisetran'ny polisy ny Reharehan'ny Trans ao Istanbul
Noraràn'ny manampahefana ao an-toerana ny hetsika rehetra mifandraika amin'ny FIREHAREHANA mandritra ny volana, anisan'izany ny fandefasana sarimihetsika sy ny hetsika fisotroana dite.
Mpanao gazety avy amin'ny KRIK Serba, voaheloka noho ny fanakianana ireo fitoriana SLAPP anenjehana ilay trano mpamoaka vaovao
"Asehon'ity didim-pitsarana ity mazava fa nanjary fitaovana lehibe ho an'ny fitondrana ny SLAPP mba hanakatonany ireo haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy sisa tavela", hoy ny nambaran'i Stevan Dojčinović, lehiben'ny Tonian-dahatsoratra ao amin'ny KRIK, famoaham-baovaom-panadihadiana Serba.
Fakàna tahàka ny fanao tsy liberaly: Ny fanafihan'ny fanjakàna Kyrgyz ny media, mpanao gazety ary bilaogera
Maka tàhaka ireo fomba fanao tsy liberaly avy any Rosia ny governemanta Kyrghyz. Misy fiantraikany amin'ny fiainam-bahoaka sy ny asan'ireo media, ny mpanao gazety ary ireo bilaogera ireny fiovàna ireny
#StandWithBach: Ho fanohanana ilay mpisolovava ara-tontolo iainana manao fitokonana tsy hihinan-kanina ao Vietnam
Nohazonina hatramin'ny jona 2021 ilay Vietnamiana mpahay lalàna Dang Dinh Bach ary manefa ny saziny ho mandositra hetra taorian'ny nitsikerany ny politika ara-tontolo iainan'ny governemanta.
Kaonty fako sy ny fifidianana filoham-pirenena any Kazakhstan
Fantatry ny mpitondra ao Kazakhstan ny maha-zava-dehibe ny mambabo fo sy ny sain'ireo mpisera aterineto, ny fanaparitahana vaovao diso ary ny fampiasana kaonty mandeha ho azy artifisialy mba haka tahaka ny fanohanana feno hafanam-po ho an'ny governemanta.
Milaza ny mpanao famotorana ao Goiana fa mpianatra vavy iray tezitra tamin'ny findainy nogiazana no fotory ny fahamaizana mahatsiravina tamin'ny kilasimandrin-tsekoly iray
Tao amin’ny efitra fandroana no niantombohan’ny afo, izay noheverina fa nanaparitahan'ilay tovovavy fanafody famonoana bibikely teo amin’ny lambam-baravarana, avy eo izy nandrehitra afokasoka. Vetivety dia niitatra nanerana ny trano ny afo.
Yemen : ny anjara toeran'ireo feminista any ivelany manoloana ny ady atao amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona
Na marobe aza ireo fanamby atrehan-dry zareo, dia tohizan'ireo vehivavy Yemenita mpikatroka any ivelany hatrany ny tolony ho an'ny fandriampahalemana sy ny rariny ao amin'ny fireneny amin'ny alalan'ny hetsika adisisika ataon-dry zareo.
IciCongo: Sarin'ny mpampita vaovao an-tserasera iray te- « hitantara an'i Kôngô amin'ny fomba hafa »
Ao RDC, misy media iray an-tambajotra te-hiavaka amin'ny hafa amin'ny fanandratana matoandahatsoratra manome toerana ny fiainana andavanandro araka ny tena iainan'ny ankamaroan'ny Kôngôley azy ao amin'ilay faritra