Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2020
Na inon-kidona, na inon-kihatra, isisihan'i Alpha Condé ny tsy maintsy hahazoana fepotoam-piasàna fanintelony
Nahavita naka fepotoam-pitondrana fanintelony indray ny filoha gineàna Alpha Condé rehefa nanao an-tery ny fanitsiana lalampanorenana, fandresena azony tamin'ny fifidianana nokianin'ny mpanohitra sy ireo fikambanana iraisampirenena mafy tokoa
Ny filaminana no laharam-pahamehan'ny governemanta vaovao orogoaiàna… tsy iraharahiana ny fahalalahana maneho hevitra?
Toy ny kihondàlana ara-tantara no fisehon'ilay lalàna "Ley de Urgente Consideración" eny anatin'ny adihevitra ampahibemaso
Lasa mpirafy ve i Beijing sy Carrie Lam avy ao Hong Kong?
Nikomy tamin'i Carrie Lam, lehiben'ny mpantanteraka, ny ankolafy mpomba an'i Beijing tao Hong Kong, tamin'ny fampiasàna ho antony ny tsy nahavitàn'ny tanàna nifehy ny fiparitahan'ilay valanaretina COVID-19.
Nahatratra ny ‘kanji-n'ny taona’ ny COVID-19
密 (mitsu), amin'ny tranga sasany, dia midika hoe "mikatona, feno olona, na mirindrina."
Olompirenena very hevitra, manangona sonia hitakiana amin'ireo manampahefana ao Timor-Leste hampitsahatra ny famerenana indray ilay lalàna momba ny fanalàm-baràka
"Natao hiaro ireo eo amin'ny fitondràna tsy hiharan'ny tsikera rehefa manao kolikoly ry zareo na heloka hafa io tolodalàna io."
Median'i Filipina miatrika ‘fandrahonana fanasaziana tsy ankitsahatra’ aorian'ny fiampangana fanendrikendrehana an'habaka
"Rehefa tsy afa-mihazona ny fahefana ho tompon'andraikitra isika dia tsy ho afa-manao na inona na inona," hoy ny Filoha Tale Jeneralin'ny Rappler Maria Ressa taorian'ny fanamelohana azy.
Navoaka ny fonja Iraniana tamin'ny fifanoloana voafonja i Kylie Moore-Gilbert, akademika Aostraliana
Tonga ny fotoana ho an'ireo mpiara-dia demaokratika - ireo tompon'andraikitra governemanta rehetra - hiarahana miasa hamaranana amin'izay fanohanan'ny fanjakana ara-bola ny fanaovana takalon'aina.
Etazonia any Syria: Inona no antenaina amin'ny fitondrana vaovao?
Ny fijerena ny maha-olombelona no tena tsy itovian'ireo fitantanana roa tao Etazonia momba ny ady any Siria, i Washington mitolona manao izay tsy hitaran'ny loza mitatao ateraky ny asa fampihorohoroana sy ny dindon'i Rosia any amin'ny faritra iray iankinan'ny ain-dehibe.
Naverin'ny filohan'i Mozambika tany amin'ny parlemantera ny lalànan'ny fizarana tombontsoa ho an'ny mpitondra teo aloha
Tonga mpandresy lehibe indrindra tao anatin'ny dingana ny olom-pirenena ao Mozambika. Na eo aza izany, antenaina ny fandinihana vaovao momba ireo lalàna naverina tany amin'ny Antenimieran'ny Repoblika ireo, azo lazaina fa ny tolona ihany no nahazoana fandresena teto fa tsy ny ady.
Pakistàna : vehivavy mikarakara hetsika nasiônaly ho setrin'ilay fanolànana nahavaky fo
Nomarihan' ireo vehivavy nikarakara ny hetsipanoherana ny fandàvan-dry zareo ny fanantonana imasombahoaka, izay antso iray miverimberina ao Pakistàna isaky ny lasa lohateny vaventy anaty gazety ny tranga fanolanana