Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2020
Efa tena tsy vaovao amin'ny Jamaikana intsony izao ny Tsimokaretina Chikungunya hany ka antsoin-dry zareo hoe “Chik-V”
Voakiana ny minisitry ny fahasalamana noho ny fandraisany an-tànana ny valanaretina Chikungunya, tsimokaretina aparitaky ny moka izay miteraka fanaviana sy fanaintainana mafy eny amin'ny vanintaolana.
Tsaho toy ny ahoana ireo niely nandritra ny fifidianana filohampirenena 2020 natao tany Taiwan?
"...zavatra kendren'ny ankamaroan'ireo tsaho ny hampizarazara ny fiarahamonina ao Taiwan. Amin'ny fandonana ny fihetsehampon'ny olona sy ny fanasamantsamahana ny fiarahamonina ho lasa ankolafy politika roa mpifanandrina."
Tsy misy fahamarinana ao Népal satria politisiana voampanga ho namono olona no voafidy ho filohan'ny antenimiera
Sapkota, voampanga ho namono olona, no nisolo toerana ny filoha teo aloha nitantana ny antenimiera, izay voampanga ihany koa tamin'ny resaka fanolànana, manamaloka ny tontolom-pitsaràna ao Nepal no sady mampiroborobo ny kolontsain'ny tsimatimanota.
Karabagh-Ambony : Ahoana no hampironana ny olona hijery ny tena zavamisy iainana ?
Karabagh-Ambony, faritra misy foko mitokana ao Azerbaïdjan, any atsimo-atsinanan'ny Kaokazy, toerana tsy nitsaharan'ireo foko armeniàna nitaky ny fitambarany amin'ny Repoblikan'i Armenia. Hisy ve ny vahaolana ?
Fifanoheran-dresaka any Malezia: Fampielezan-tsaho ve ny lahatsoratra Facebook miresaka coronavirus?
"...tsy ilaina ny fanamelohana olona iray eo ambanin'ny Fehezan-dalàna Famaizana na manaiky aza aho fa ilaina ny fameperana sasany amin'ny fotoan-tsarotra. Tsy misy antony tokony hametrahana ny famerana amin'ny alàlan'ny fepetra famaizana amin'ity tranga ity."
Niompana tamin'ny adihevitra momba ny zon'olombelona any amin'ireo faritany avaratra-atsinanana ilay Fivoriambe tao Tailandy
"Mila manao izay hahamenatra ny governemanta isika, na hanao izay hahatsapan'izy ireo ny henatra tokony ho tsapany amin'ny fampiasany herisetra sy fampitahorana an'ireo mponina izay miezaka fotsiny miaro ny fivelomany."
Ampiasain'ny governemanta kroaty hamatsiana vavahadin-tserasera mampiely vaovao tsy marina ny volan'ny Fiombonambe eoropeana, kianin'ny sampan-draharaha mpanamarim-baovao izany
Vavahadin-tserasera iray malaza amin'ny fanapariahana lainga sy fankahalàna ary fitiava-tanindrazana no nahazo ny famatsiambola natokana ho fanohanana ireo orinasa madinika sy salasalany avy amin'ny tahirimbola eoropeana natao hampivoarana ny isamparitra.
Vahaolan'ny fanjakana tokana ve ny drafi-pandriampahaleman'i Trump ao Afovoany atsinanana?
Fahanginana sy Fahatafintohinana tao Afovoany Atsinanana no nitsenana ilay adivarotra fandriampahalemana nandrasana hatry ny ela.
Karaiba mandray matotra ny resaka ‘coronavirus’, manao tohivakana ny fandraràna fivahinianana an-tany hafa
Faritany marobe ao Karaiba — anisan'izany i Jamaika, Antigua sy Barbuda, Bahamas, Dominica, ary Trinidad sy Tobago — nametraka fepetra amin'ny fivahinianana mankany sy avy any Shina.
Ao Kerala, an-tapitrisany no nanao rojo olombelona ho fanoherana ny lalànan'ny mahaolompirenena ‘anti-miozolomana’ ao India
Amin'ireo vahoaka ireo no ahitana politisiana, mpikatroka ara-kolontsaina, mpitari-pivavahana, artista ary olompirenena feno ahiahy.