· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2010

Ejipta : Ny toe-karen'ny tsy mihinan-kena

  28 Avrily 2010

Niakatra izay tsy izy ny vidin'ny hena ao Ejipta tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Amidst dia niantso ny amin'ny tsy hividianana hena, Ejiptiana maro no voatosika hanjary mpifady hena no ho ny halafon'ny vidiny.

Kirzistan: Taorian'ny fihetseham-bahoaka tany

  24 Avrily 2010

Tamin'ny herinandro lasa teo dia nifantoka tanteraka tamin'ny tranga politika tany amin'ity repoblika any Azia Afovoany ity ny bilaogy Kirzistana. Manerana ny firenena manontolo dia nisy ny fahatsiarovana ireo namoy ny...

Polona: Fahoriana lalina tany anaty aterineto taorian'ny 10.04.2010

  22 Avrily 2010

Sylwia Presley dia mitatitra fa samy nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ny vavahadin'izy ireo avy ireo mpilaza vaovao amin'ny aterineto, ireo mpilaza vaovao ara-tsosialy, ireo tranonkalan'ny governemanta ary ny vavahadin'ny tranonkalan'ireo fikambanana Poloney erak'izao tontolo izao koa dia mba nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ho fanehoan'izy ireo ny fiaraha-miory amin'ny firenena.

Iran: Nihen-danja ve ny fitorahana blaogy hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena?

  19 Avrily 2010

Moa nanova ny fampiasana ireo fantsona sy fitaovana median'olon-tsotra ve ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana? Iraniana iraikambinifolo mpitoraka blaogy sy matihanina amin'ny fampahalalam-baovao mahasolotena ny firehana politika rehetra no namaly ny andiam-panontaniana mikasika ny fivoaran'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny Iraniana olon-tsotra Iran hatramin’ny fifidianana.

Polonina: 10 aprily 2010 Sabotsy mainty, Andro fisaonana

  17 Avrily 2010

Satria isika mbola mamakivaky tanteraka ao anatin’ny 24 ora voalohany amin'ny fangirifirian’ny firenena Poloney, maneho hevitra mikasika ny zava-nitranga io maraina io ireo fampahalalam-baovao ara-sosialy isan-karazany, raha namoy ny Filoham-pireneny sy olo-manan-kaja hafa miisa 95 i Polona.