· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2011

Aostralia: Mampizarazara Ny Firenena Ny Lalàna Vaovao Manan-tantara Momba Ny Vidin'ny Entona Karbona

Farany, tamin'ny 8 Novambra 2011, ny Parlemanta Federaly Aostraliana dia nandany ilay Volavolan-dalàna nahabe resaka momba ny Angovo Madio. Ny lalàna dia nampiditra hetra $A 23 isaky ny taonina amin'ny entona karbona hatramin'ny Jolay 2012, mitarika mankany aminà fandraharahàna ara-barotra momba ny famokarana entona (cap and trade) aorian'ny 3 taona. Mifamahofaho be ny fanehoan-kevitra eo anivon'ny aterineto.

24 Novambra 2011

Ejipta : Fanaingan-tsoroka Revolisionera Tamin'ny Fametraham-pialanà Kabinetra

Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.

23 Novambra 2011

Filipina : Nosamborina Ilay Filoha Teo Aloha

Ilay Filohan'i Filipina teo aloha Gloria Arroyo dia napetraka eo ambany 'fanaraha-maso ao amin'ny hopitaly' taorian'ny niampangana azy tamin'ny fanakorontanana fifidianana. Fanehoan-kevitra anaty aterineto maro no nahatonga ilay tenifototra #ArroyoArrest ho iray amin'ireo lohahevitra malaza indrindra eran-tany.

23 Novambra 2011

Ejipta: Miverina Indray Ny Revolisiona!

Maherin'ny 100.000 ireo olona voalaza fa ao amin'ny Kianja Tahrir amin'izao fotoana, ary ny polisy sy ny tafika dia mitohy midaroka ny mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fitsaharan'ny fitondràna miaramila ao Ejipta. Anaty ady tsy mitsahatra manenjika ireo olona mitam-piadiana miasa ho an'ny governemanta Ejiptiana ireo mpanao fihetsikesehana hatramin'ny Zoma ary ankehitriny dia mitoetra ho tsy azo hozongozonina ao an-kianja mandra-pivalin'ny fangatahan-dry zareo.

22 Novambra 2011